21|02|07 – Andro iraisam-pirenena momba ny tenin-dreny

« Ireo rohy mamatotra ny tenin-dreny* sy ny fahasamihafam- pitenenana » [International Mother Language Day, the linkages between mother tongue and multilingualism | Journée internationale de la langue maternelle, les liens entre langue maternelle et multilinguisme]

Tsy izaho no manoratra voalohany momba ny tenin-dreny Malagasy ka azonareo arahina ireo rohin’adihevitra etsy ambany. Ny momba ny toeran’ny teny Malagasy amin’ny Internet no nanosika ahy hampita ity vaovao ity.

Ankehitriny mihoatra ny 90 %-n’ny soratra amin’ny tontolo cyber [Internet] dia amin’ny teny 12 monja ka manakona ireo teny hafa eran’izao tontolo izao, izay heverina ho mi- isa 6’000, ary voataka amin’ity fitaovana manan-danja ity.

Amin’ny alalan’ny tetik’asa Babela, ny UNESCO dia manohana sy mitady fiaraha-miasa mba hanasoavana ny haren’ny fahasamihafam-pitenenana sy ho fiarovana ireo fiteny izay mitady ho adino amin’ny alalan’ny teknolojian’ny Internet. Ireo rehetra izay manana hevitra sy tetik’asa ho famelarana ny teny Malagasy amin’ny Internet izany dia afaka mametraka soso-kevitra.

Indramiko ny fahendren’ny oha-pitenenana malaza fanaon’ny fikambanana mpanoratra sy mpandala ny maha-Malagasy « Ny teniny no maha-firenena ny firenena, ny teniko no reniko » mba hamporisihiko antsika hanohy hampiasa ny teny Malagasy na ara-pitenenana na ara-panoratana, ho fiarovana ny hareny.

Manararaotra koa aho manolotra fisaorana anareo mpamaky lahantsoratra amin’ny teny Malagasy😀 na dia somary lava aza ireny ts’indraindray😉

[*Ny tenin-dreny dia izay fiteny voalaohany ianaran’ny zaza. Novelarina amin’ireo fiteny nanabeazana mirohy amin’ny toerana nahalehibe sy ny fomba nanabeazana izany taty aoriana. Ny tenin-drazana kosa dia ny fiteny mirohy amin’ny firenem-pihavian’ny ray aman-dreny]

[Handefa hevitra @ tetik’asa Babela – unesco.org >>]

[Andro I-P momba ny tenin-dreny – unesco.org >>]

[Tanalahy tafahoatra ? exces d’integration – Lillia >>]

[Ny fanagasiana, la generation sacrifiee – Lova >>]

[Langue maternelle en langue de bois – Tattum >>]

7 commentaires sur “21|02|07 – Andro iraisam-pirenena momba ny tenin-dreny”

  1. Misotra any Tomavana aho aloha satria ny falalako ny teny Malagasy dia tsy maintsy nandroso aminy famakina ny blaoginao🙂.
    Ok, it took me 10 min to write that sentence😦. (…banging my head on the table repeatedly…🙂 )

  2. Izaho no faly fa mitatra hatrany ny hevitra rehefa mikaon-doha aminao🙂 mampitombo fa tsy mampihena, mampandroso fa tsy mampihemotra ny fahalalako.

    Do not be so hard with you😉 your perseverance imposes the respect🙂 you are not alone and together we will make it, remember Malagasy Miray😉

  3. Mianatra.
    Et après qd j’aurai progressé, j’écrirais même en malgache🙂

  4. Et après tu nous enseigneras le kabary tellement tu auras progressé … tandis que nous ne faisions que ressasser les mêmes vocabulaires😉
    Fier de toi aussi Vola😀

  5. J’ai déjà appris « Miala tsiny fa… »
    Je suis sur la bonne voie je crois🙂

  6. « … tsy zokiny aho fa zandriny » je ne suis pas l’aînée mais la puînée😉 avec l’accent cela doit-être d’un charme, aoka fotsiny e !

  7. Izaho no miala tsiny fa nanoratra commentaire tany @ GVO aho ary nanonona ity lahatsoratrao ity dia tsy voapetako ny rohy maketo.tena azafady indrindra
    Misaotra tamin’ilay fifidianana fa naheresy isika (feon’ny vahoaka) fa olon-kafa no nifidin’izy ireo ho mpandresy ara-pomba ofisialy .Na dia izany aza tsy kivy isika fa ny manetsabe mbola hoavy;

    Sady isika izao efa mahalala olona mpamoaka entana ao amin’ny Doane😀


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :