Val d’Anniviers [Valais, CH]

Avy eo ambaravarakely any Saint-Luc, topi-maso vao maraina ireo tendrombohitra izay 4’000 m ny ankamaroany.

Avy havia miankavanana ny Besso [3’667 m sy ireo tendrony roa], ny Obergabelhorn [4’063 m], ny Mont Duran alohan’ny Cervin [Matterhorn amin’ny teny Soisa-Alemana, 4’478 m], ny Pointe de Zinal [Zinalrothorn amin’ny teny Soisa-Alemana, 4’221 m, ny tendrony ihany no tazana], ary ny Grand Cornier [3’961 m] 🙂 Tsahivina fa ny vohitra Maromokotra [2’876 m] any Tsaratanana [Antsiranana] no avo indrindra any Madagasikara.

Avo ireo tendron’ny vohitra ka lalina ny « Val ». Ny atao hoe val moa dia dikan-teny tsy lavitra ny Canyon ary fianakavian’ny Vallée, lohasaha ety [na tery], andian-tany manify teren’ny vohitra roa mifanakaiky [Vallée étroite, espace de terre resserré entre deux coteaux – atilf.fr]. Satria tsy misy sary mahafa-po avy amin’ny Google-Earth dia indro saritany misy ireo toerana fanaovana ski etsy ambany ahitana ny endriky ny topografia.

Ny Val d’Anniviers dia lohasaha mipoitra aty amin’ny tanànan’i Sierre ao amin’ny lemaka ben’ny ony Rhône ao amin’ny canton du Valais ny tapany Avaratra. Misampana roa ny Val d’Anniviers any amin’ny tapany Atsimo ka ny ilany andrefana [havanana amin’ny sary] dia ny Val de Moiry, ahitana ny tanànan’i Grimentz ary fefen’ny toha-dranon’i Moiry [barrage de Moiry]. Ny sampany Atsinanana kosa dia ny Val de Zinal mitomandavana mandalo ny tanànan’i Zinal ka mifarana eny amin’ireo tendrombohitra [avy havia miankavanana] Weisshorn, Pointe de Zinal, Obergabelhorn, Dent Blanche [manodidina ny Cervin na Mattehorn izay ao amin’ny Vallée de Saint Nicolas ambadika ao].

Ny tanànan’i Saint-Luc kosa dia tanàna amin’ny lafiny [face] ankavia amin’ireo vohitra, miloko mavo amin’ny saritany no sady miolankolana toa bibilava ny lalàna mankany*.

[*vakio – miolankolana ny lalana mandeha mankany >>]

[anniviers.org >>]

[Saritany lohataona avy amin’ny kettler-panorama.ch >>]

8 commentaires sur “Val d’Anniviers [Valais, CH]”

  1. toa tena teny an-tampo-kavoana mihintsy ilay St Luc🙂 Misatra an’i Toum mitondra mizaha tany fa tena mahafinaritra be:)

  2. Tsy misy fisaorana ! marina aloha fa tiako ny tendrombohitra🙂

  3. Mampatsiaro ahy ny mpampianatro iray teny amin’ny « an-jery manontolo » (université) izay sady mpampianatra milingilingy (escalade) amin’ny fotoana mampalalaka. tsy mitsahatra mitantara aminay ny fahafinaretan’ny mpilingilingy izy rehefa tonga soamantsara eny amin’ny tendrony izy ireny. Nolazainy anay fa misy akony lehibe amin’ny toetsany sy ny fanatanterahana ary ny fanatononsany ny tanjona rehetra tiana tratrarina amin’ny fiainana hono izany. Maniry dia maniry aho ny hianika eny fa hatramin’izao mbola tsy nahita fotoana sy « occasion » foana🙂 angamba rehefa mahazo fanasana avy aty aminao :p

  4. Hevitra tsara tokoa raha hanao tsidika miaraka isika. Angamba isika tsy hanao ny haute route [Chamonix-Zermatt, 7 andro] satria na amin’ny lohataona [été] aza dia mbola mila mitondra ski sy peau de phoque🙂 Inona ary ity menamenatra miandry fanasana ity ?

  5. eny ary fa de re ‘zay, fa dia « hoavy tsy hoela hoatran’ny volan’ny CNAPS » hoy ny tenin-jatovo zay😀

  6. […] tany an-tendrombohitra aho tamin’io ka tsy afaka nanatrika fa indreo ireo sary ho […]

  7. […] [tohin’ny tsidika an’ny Val d’Anniviers, ny tanànan’i Saint-Luc >> Eny an-tendrombohitra eny no fonenako] […]

  8. […] hafa [2007] | Autres Photos [2007] | Other photos [2007] : Val d’Anniviers | Valais >> […]


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :