Miolankolana ny làlana mandeha mankany …

… an-tendrombohitra ka tsy te-hiverina alina loatra any aho* satria Genève – Saint-Luc [Valais, CH], dia làlana 200 km maharitra 2:00 ora raha tsara ny andro.

– Genève [375 m] – Sierre [540 m], 179 km, làlam-be mahitsy mitan-djozotra « autoroute » maharitra 1:30 ora,
– Sierre [540] – Saint-Luc [1’655 m], 21 km, làlana an-tendrombohitra miolankolana maharitra 0:30 ora.

Vao miala ny « autoroute » dia manomboka avy hatrany ny fiakarana ka misy tapany roa tena henjana dia ny Sierre – Niouc ary ny Vissoie – Saint-Luc.

Ny tanànan’i Chippis ao Sierre io hitanareo amin’ny sary ambany làlana io, « dénivellation » 500 m hoan’ny fiakarana mirefy 7,5 km manelanelana azy amin’ny tanànan’i Niouc. Bibilava [serpent] miolankolana mitovy amin’io koa saingy vao mainka teritery kokoa ny tapany Vissoie – Saint-Luc.

« Val d’Anniviers » no iantsoana ny lohasaha, ary toy izao ny topi-mason’ny làlana mankany rehefa tafakatra eo Niouc. Izato manjavozavo ery anoloana izato ny tendrombohitr’i Cervin [tazanina avy aty avaratra].

[*vakio – Fa ianao angaha mpanohitra ny St-Valentin ? >>]

[saint-luc.ch >>]

[anniviers.org >>]

10 commentaires sur “Miolankolana ny làlana mandeha mankany …”

  1. Mivoaka mazava be ilay sary anakiroa😀
    Tonga soa tsara ve ?

  2. Fakantsary kely no nakako ireo sary ireo ary ny ‘contre-jour’ no mampitombo ny loko manga. Mazava ho azy fa tsara kokoa ny mahita maso mivantana sy mifoka ny rivotra madio😉

    Tongasoa fa misaotra, efa niverina amin’izao🙂

  3. Tena vita izany ilay lanezy any @nareo e ?
    Ary efa mahay teknika be ka…
    Fa tsy manana Flickr ve ianareo, mba mizara sary misimisy ?

  4. tsara ery izao ny mikorisa midina amin’iny bibilava iny @ fiara sady mitazany ny tanàna ery alavitra e ! azoko sary an-tsaina ny hatsaran’ilay fakan-drivotrao teny an-tendrombihitra:) sambatra !!!

  5. @ Lillia tsara filatsaka ho ahy aloha ny oram-panala na dia tsy naharitra aza, tena Alahady hatramin’ny Talata fotsiny dia vita😦

    Aza omena tsiny fa tsy manana flickr … hi, hi, hi … tsy hita fa tsy maharaka ny teknolojia e. Fantatro koa fa misy ‘logiciel’ manao ‘panorama’ mihintsy aza. Misaotra amin’ny toro-hevitra fa mbola mila ho-eritreretina😀

    @ Harinjaka tsy azo anaovana ‘vitesse point-mort’ mba hitsitsiana essence mihintsy [chauffeur taxi-brousse any Mada] satria tena lalina ny hantsana. Soa ihany fa tena mifanaja ny olona rehefa mitondra fiara, indrindra rehefa aty an-tendrombohitra🙂 Na dia izany aza rehefa milatsaka be loatra ny oram-panala dia voatery hidiana mihintsy indraindray ny lalàna mandra-pitsahatr’izany sy anadiovana ny lalàna.

    Miezaka ny mizaka ny hatsiaka amin’ny lalao isan-karazany. Satria tsy afaka manararaotra ranomasina sy lanitra manga amin’ny andro ririnina toa anareo daholo e.

  6. hainao ve ilay andalan-kira hoe « ny làlana any Ihosy no miolakolaka, ny ampela ta-ho tunga ro mamolapolaka » ?

  7. Voalohany aloha faly mandray anao sy mirary tongasoa @ tsidikao.

    Faharoa, tena vaovao amiko, tsy tsaroako hoe efa henoko indray ilay izy😦 ny fohy henoko anefa toa mahafinaritra ahy ka mba sosay lakana ho tafita e😀

  8. […] [*vakio – miolankolana ny lalana mandeha mankany >>] […]

  9. e rila e agnay manina agnareo a
    roso any fianarana
    ny satrobory namidy lasiroa e
    aza midiridiry fa samy maso roa e
    ets ets (tsy tadidiko intsony)

    dia izay voa avy ilay làlana any Ihosy

    mbola papozy kely angamba i tomavana knoooou ! :-)))

  10. Hay ve🙂 ny feony tsaroako fa ny tonony izany tsy dia arako loatra😦

    Raha resaka rija ity tokoa no tamin’ny toetr’andronay :
    adaladala agny izao ny Jirama,
    tokontanin’olo voleny poteau …
    adaladala agny izao ny kilongalahy,
    kilong’apela roa finainy amin’ny moto …

    Misaotra amin’ilay lakana e🙂


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :