Are You anti-Valentine ?

Par : tomavana

Fév 14

Catégorie: tsetsatsetsa

12 Commentaires

« Fa ianao angaha mpanohitra ny St-Valentin ? » Hoy ity tovovavy iray rehefa nolaviko tamim-panajana ity raozy mena midorehitra natolony ahy maimaim-poana [gratuit].

Nidina avy any an-tendrombohitra aho hamita andraikitra anio Alarobia 14 Febroary 2007 ary mikasa ny hiverina anio hariva ihany. Hatramin’ny Alahady alina dia efa 36 ora tsy an-kijanona no nilatsahan’ny oram-panala [neige] ka tsy te-hiverina alina loatra amin’ny làlana miolankolana eny an-tendrombohitra aho. Izany no tetika tao an-tsaiko raha nofohazin’ity fanontaniana ity vao maraina aho.

Tsy nanam-potoana iadian-kevitra lava aho fa nandalo amim-panajana satria maika. Tsy mba mpanindrahindra ny maha-tokantena aho [je ne milite pas pour le célibat] ary mitepo fitia olona iray aho ankehitriny… tsy anti-Valentine aho izany😉 Rehefa avy nikaroka aho dia niova ny fijeriko ny fetin’ny « Saint-Valentin» io hariva io satria tsy mifankaiza amin’ireo naman’i Samuel* ny foto-kevitra sasany tohanany.

« Quand arrive la Saint-Valentin, c’est une période plus dure pour nous. Ils disent : mesdames, pour quelques jours, il vous faut oublier vos enfants et vos maris. Et nous devons travailler jusqu’à deux ou trois heures du matin et reprendre à 7 heures du matin. » [Lourdes, Equateur]

« Je devais par exemple couper 200 roses à l’heure. Si on n’y arrive pas, ils te donnent une amende ou bien t’obligent à rester jusqu’à ce que tu aies fini. » [Manuel, Equateur]

Avy any Equateur sy Kenya ny ankamaroan’ireo raozy amidy eto Soisa. Na dia ho fanajana fotsiny ireo dinitr’ireo mpiasa ireo dia faly aho nandà ity raozy nomena maimaim-poana ity androany.

Ary ianareo anti-Valentine ve ? Fa na izany na tsy izany dia mirary soa ireo mpifankatia rehetra😀 Mahità izay tandrify, ianareo izay mbola mikaroka !

[*vakio andro tsy iantsenàna miaraka amin’i Samuel >>]

[Interview de Lourdes et Manuel (Equateur) – tsr.ch >>]

[sary tamin’ny ‘be my anti-valentine’ – meish.org >>]

12 commentaires sur “Are You anti-Valentine ?”

  1. La mission d’aujourd’hui pour moi, c’etait de passer la journee sans faire une seule allusion au mot fatidique🙂 Il reste 9h avant minuit et on tient bon😀.

  2. Lova> lol

    Tomavana> Coe d’hab, je ne suis pas attirée par toute date propice à la consommation. Quand on est bien accompagné, c’est tous les jours la St-Valentin, non?🙂 En tout cas, les attentions sont plus spontanées ainsi que les surprises.
    Sinon, morte de rire en écoutant un interview d’un fleuriste: certains hommes ont acheté deux bouquets, un pour l’officielle (la pauvre) et un autre pour la maîtresse!! mouais.. 😆
    Bon ski, tu a sl’air de t’éclater!!

  3. Hey Tomavana,

    Je prends la St Valentin juste comme un clin d’oeil au couple :)… mais pas question de « surconsommer » pour marquer le coup en s’efforçant de trouver un cadeau de la mort qui tue et tout et tout

    Tattum, oui je l’avais vu aussi cet interview !! C’est… n’importe quoi😀

  4. salu tomavana! oui moi je suis anti-st valentin! je ne vois pas du tout l’intérêt de consacrer un jour spécial pour fêter l’amour: ne doit-on pas avoir cette attention tous les jours lorsqu’on est bien accompagnés comme l’a dit Tattum?! en tout cas, pas grand chose à dire pour moi concernant hier, contente que cette journée est enfin passée …

  5. tomavana,

    Nifanojo ny eritreritsika tamin’ity indray mitoraka ity. Nanoratra « post » mikasika ny voninkazo sy ny akony eo @ tontolo iainana indrindra aho ao amin’ny blog-ko ao…
    Mbola misy olona mankalaza St-Valentin ihany ve?

  6. ie mbola misy🙂 izaho dia nataon’i masindahy RaValotiana nanoratra tononkalo mihintsy … ilay voninkazo kosa no tsy tsy mahavantana ahy loatra🙂

  7. Salama. 35 taona aho izao, ary 6 taona izao no nonenako aty Europe, ny 29 taona dia tao antanindrazana, ary teo @ faha 25 taonako teo vao nanomboka nalaza ity st valentin ity, talohan’izay dia tsy nisy ary tsy reko mihitsy. Gaga aho fa am’izao fotoana dia toy ireny fety be ireny mihitsy, ivarotana ity karazanjavatra rehetra ity. Ny faniriako dia mba ho lasa jour férié mihitsy aoriana ao e. Zaho tsy mankalaza azy fa rehefa atao ho manandanja be ihany, tsy aleo mba araraotina haka an’aina ve?

  8. J’ai trouvé cette chronique de VANF sur le sujet … huuum, intéressant🙂

  9. […] [*vakio – Fa ianao angaha mpanohitra ny St-Valentin ? >>] […]

  10. @ Lova mino aho fa naharitra ny fanamby ianao🙂

    @ Tattum misaotra betsaka, tena nifangaro ny andron’oram-panàla sy ny masoandro. Mampalahelo fa misy isan-taona ny manimba ny lalao fa mivatravatra loatra eny an-tendrombohitra ka ratsy fiafara😦

    @ Nivo ny mpivarotra no tena mahazo tombony amin’ny excès-n’ny mpividy fa tsy ny fitiavana velively🙂 Misaotra amin’ny rohin’i VANF

    @ Trinitty >je ne vois pas du tout l’intérêt de consacrer un jour spécial pour fêter l’amour
    tsy irery ianao fa marobe ianareo, ary mino aho fa tsy misy mpivarotra amin’ianareo mpanohitra😉

    @ Tontolo Iainana ny ahy tsetsatsetsa ihany fa ny anao ny post tena feno sy mahaliana.

    >Mbola misy olona mankalaza St-Valentin ihany ve?
    Ka raha mbola misy vonona hividy dia misy foana ny mpivarotra

    @ Harinjaka tena ianao no nahita ilay valiny ‘poezia fa tsy voninkazo’🙂 Tsara fa miandry ny poezia manaraka alohan’ny herintaona😉

    @ Aro tokony ho folo taona lasa izay dia nalaza vetivety teo ny fety ‘Halloween’ taty Soisa. Tamin’ny taona 2006 anefa dia zara raha nisy mpivarotra mbola nankalaza an’io fety io intsony satria tsy nanaraka ny mpanjifa. Asa mety ho lefy vetivety koa anie ny lamaody tsindraindray e🙂 fa na dia izany na tsy izany, tsy ho andro tsy fiasana hoan’ny mpivarotra mihintsy angamba aloha e😉

  11. Manahoana indray ary e. Mba misy fangatahana kely re raha mba misy azo atao. Marary maso aho manko, ka somary sarotra amiko ny mamaky ity tableau noir ity e, nefa mba liana be am’ity site ntsika ity. Sao mba azo atao tableau hafa loko re? Tsy hoe zaho moa no handidy anareo mpikarakara fa raha tsy mety tsy maninona fa mba miketroketrona eto e. Misaotra. Veloma e

  12. Misaotra betsaka amin’ny fanamarihana sy ny toro-hevitra fa misy hotsakotsakoana😀


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :