07|02|02 – Andro iraisam-pirenena hoan’ny faritra mando | World Wetlands Day

Ny 2 Febroary 1971 dia nosoniavina tany amin’ny tanàna Ramsar, amoron’ny ranomasina Caspienne any Iran ny fifanekena iraisam-pirenena ho fiarovana ny faritra mando/pesta. Ho fahatsiarovana izany no ankalazana ny 2 Febroary ho andro iraisam-pirenena hoan’ny faritra mando [World Wetlands Day, WWD], nanomboka ny taona 1997. Ny lohahevitra amin’ity taona ity dia « trondro hoan’ny ampitso ? ».

Tsahivina fa ny 25 Janoary 1999, dia i Madagasikara no mambra faha-113 amin’ny 154 nanao sonia [25 Septambra 1998] izay fifanekena izany. Ary ireo faritra 5 izay efa voafehin’izany fifanekena izany dia

– ny farihy Tsimanampetsotsa any amin’ny faritry Efoetse, faritanin’i Toliara,
– ny tambatra farihin’i Manambolomaty [complexe de 4 lacs] any amin’ny faritra Masoarivo-Antsalova, faritanin’i Mahajanga,
– ny farihy Alaotra, any amin’ny faritra Ambatondrazaka, faritanin’i Toamasina,
– honahonan’i Torotorofotsy [marais], any amin’ny faritra Toamasina.
– ny faritra Tsarasaotra, any avartra andrefan’Ivato- Antananarivo,
– hanampy ireo ho faritra faha-6 tsy ho ela angamba ny faritr’i Bedo, any amin’ny faritr’i Morondava, faritanin’i Toliara [au bénéfice d’un arrêté de protection temporaire, avant un classement en Aire Protégée].

Ny anarana fenon’ilay fifanekena Ramsar dia « Convention relative aux zones humides d’importance internationale particulièrement comme habitats des oiseaux d’eau » noho izany dia vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny fikambanana maro ny fitandrovana ireo faritra mando any Madagasikara, isan’ireo ny World Wild Fund [WWF], ny Durrell Wildlife Conservation Trust, ny Peregrine Fund.

Fony izaho mbola zaza ny nampianarina anay tany an-tsekoly dia ny tokony ‘handiovana sy hanamainana’ ireo honahona [marais] sy petsapetsa [zone humide] satria toerana fieren’ireo otrik’aretina [foyer de maladie = microbe] sy ny atodi-moka isan-karazany. Ankehitriny raha mbola mitohy ny ady amin’ny moka sy ny aretina samihafa dia ny fomba fiady no miova, arovana ny voahary sy ny manan’aina rehetra mba hanampiany antsika.

Mampalahelo ahy kosa ny vaovaon’i Jentilisa androany satria raha ampy ny vola iarovana ny tany mando sy ny zava-boahary, dia tsy ampy kosa ny fampitaovana mba hamatsiana rano ny vahoaka Malagasy😦

[Lisitr’ireo faritra mando arovana any Madagasikara >>]

[fiarovana ny aina ny fitandrovana ny rano >>]

[La rivière Nosivolo déclarée site Ramsar – madagasikara.mg – 18.09.2010 >>]

[Le complexe des lacs Ambondro et Sirave inscrits sur la liste des sites Ramsar – madagascar-tribune.com – 03.02.2015 >>]

6 commentaires sur “07|02|02 – Andro iraisam-pirenena hoan’ny faritra mando | World Wetlands Day”

  1. Mankalaza🙂 Tsara ho fantatra tokoa satria fifanarahana tsy dia fahare matetika no sady voa haingak’ainga no « niray petsa-petsa ».
    Dia misaotra anao toamavana🙂

  2. Tsy dia matanjaka tokoa ity fifanarahana iray ity raha ny website fotsiny no jerena dia tsy mifanalavitra amin’ny « hostarea jeux des îles » any amin’ny tanàna sa😉 Ianao no isaorako betsaka amin’ny famangivangiana

  3. Niampy ny faritry Mahavavy-Kinkony ireo faritra mando ambany fifanekem-piarovana RAMSAR [Madagascar Wetlands Receive Protected Status – animals.about.com >>]

  4. Update: Située dans la commune rurale de Belo sur Mer [région du Menabe, côte Ouest], le complexe des lacs Ambondro et Sirave rejoignent la liste des sites Ramsar >>


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :