Ireo mahery fo mpanompom-bahoaka | Mpamono afo

Taorian’ny 11 Septambra 2001 tany New-York, dia vao mainka nitombo laza sy mamim-bahoaka ireo mpamono afo nohon’ny fandavan-tena sy ny herim-pon’izy ireo. Ny fahatsiarovana ireny no tonga tao an-tsaiko, anio tolak’andro raha nahita ireto olona maro vory sy niandrandra lanitra, nitanatana vava nibanjina ireto mpamono afo am-perin’asa aho.

Nofefena tsy azo nolalovana tanteraka ny lalàna Rousseau [Genève, CH] na hoan’ny fiarakodia na hoan’ny mpandeha tongotra. Ireo mpitandro ny filaminana [policier] mivoivoy sy miresaka amin’itony fibaiko lavitra itony [talkie-walkie]. Toy ny ‘ondry’ namako dia mba nanatona koa aho haka izay vaovao. Gaga anefa aho fa tsy nahita na dia aloka setroka iray aza.

Raha tsy afo, vonjy aina inona ? Loza inona no iadian’ireto maherifon’ny tanàna ireto ? Somary voatery nisisika kely aho azahoako mitily ambadik’ireto olona milahatra sy milamina tsara, satria tena mpanara-dalàna sy fatra-mpanara-baiko ny Soisa ka rehefa lazaina hoe aza misy manatona dia tsy misy mihetsika tokoa.

Nihoatra ny 0°C tokoa ny mari-pana anio ary satria matevina ny oram-panala indray nilatsaka tamin’ny herinandro lasa dia andian-dranomandry matevina maro no tavela eny ambony tafo sy manambana ny hilatsaka amin’ny lohan’ny mpandalo.

Fantatra fa tsy maintsy milatsaka ireo. Anefa tsy fantatra mialoha na ny ora na ny fotoana ianjeran’izany avy eny ambony eny sady tena mety mitera-doza tokoa nohon’ny hamarony sy ny ha-avon’ireo trano. Ny mandeha miandrandra ny lanitra rahateo tsy fanao sao solafak’ireo rano-mandry mbola maro amin’ny tany diavina.

Hampidina an-keriny ireo loza mihantona ireo no niadian’ireo mpamono afo anio. Io hitanareo mitoby ambony ‘trottoire’ io ireo rano-mandry tsy hanambana an’iza n’iza intsony.

[lohahevitra sahala >>]

[mirehitra i Madagasikara >>]

4 commentaires sur “Ireo mahery fo mpanompom-bahoaka | Mpamono afo”

  1. Liana tokoa aho teo am-pamakiana ny tantaranao. Mahery fo [héros] tokoa ireto mpamono afo ireto ary ary dia tena asa ambony tokoa no ataony [métier noble] tena mitovy lanja amin’ny mpitsabo mihintsy satria samy aina no vonjena. Sady ny tena maha ambony azy dia tsy vola aman-karena velively no anaovan’izy ireo izao fa misy aza amin’izy ireny mahafoy-tena sady miasa maimaim-poana.
    Mba tsara ery raha any amin-tsika no mba misy toe-tsaina toy izao (ny fitaovana moa dia efa tsy lazaina intsony).

    Afa-doza zany e!

  2. Angamba ny toe-tsaina hifanampy sy hifanavotra misy ihany fa ny ho enti-miatrika mihintsy no tsy ampy ? Sa sahirana loatra amin’ny fikarohana ny ho enti-miaina ka zary lasa amboadia anivon’ny amboadia ka izay mahia viravirain’ny namany ?😦

  3. Avy nijery an’ ilay film « World Trade Center » aho.
    L’abnegation de ces personnes qui mettent leurs vie en peril au service des autres provient d’histoire personelles bien differentesmais toutes aussi admirables. Heros certes, mais humains aussi. Merci Tomavana.

  4. Elabe aho izay no tsy manam-potoana hijerevana sarimihetsika, tsy mbola hitako i WTC😦

    Taloha aho dia isan’ireo mpiomehy rehefa mahita ireo mpamono afo tonga maro hanavotra ny sakan’i Ranenibe raikitra eny ambony hazo.

    Arak’ilay tsianjery ‘raha misy manome zavatra ho anao, kingà miteny hoe …’ tsapako ankehitriny fa tena ilaina ny fisian’izy ireo [Madagasikara] saika hitarika ny mason’ny mpamaky fotsiny aho hibanjina ireo zavatra madinika ataon’izy ireo andavan’andro😀 tena marina olombelona tokoa, toa ahy sy ianao🙂


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :