Lemak’i Genève avy eny an-tendrombohitra

Teny an-tendrombohitra aho anio fa mbola nitohy ny andro tsara, sady tsy mitsioka intsony ny rivotra « Bise ». Na dia nodiovin’ny rivotra aza ny ampahan’ny oram-panala teny amin’ny toerana nalehako dia azoko lazaina fa misy fahafinaretana manokana ho ahy hatrany ny fikorisana amin’ny « snowboard » voalohany amin’ny ririnina😉

Ny vohitra Crozet dia anisan’ny rohin-tendrombohitra Jura 15 min avy any Genève, any Frantsa satria voahodidin’ireo « départements » Frantsay Ain sy Haute-Savoie i Genève.

Mazava fa tsy haka sary no diako tany anefa tsy niverina tanam-polo aho fa nitondra ireto voan-dalàna ireto mampiseho ny fisamihafana misy amin’ny topi-maso avy eny an-tendrombohitra sy lemaka,

– ny lemaka Genevois anaty zavona, ny vohitra Salève amin’ny ankavanana ary ny Alpes sy ny Mont-Blanc eny aoriana [le Genevois sous la brume avec le jet d’eau en bas à gauche, ensuite le Salève sur la droite, puis les Alpes avec le majestueux Mont-Blanc au fond | 28.01.2007 | 16:00]

– ny lalàna mitondra miverina any Genève, ny vohitra Salève mibahana eny anoloana ary ny Mont-Blanc eny aoriana ankavia [le Salève droit devant, le Mont-Blanc au fond à gauche | 28.01.2007 | 17:30]

Azonareo ny antony mampihazakazaka ny olona mianika tendrombohitra raha vao afaka, indrindra rehefa iva toy ny anio ny zavona manarona ny tanàna amin’ny masoandro😀

[lohahevitra sahala>>]

10 commentaires sur “Lemak’i Genève avy eny an-tendrombohitra”

  1. Misaotra nahatsiaro sy mizara zavatra mahafinaritra toy izao. vao mijary ilay sary fotsiny dia afa azoazo ery ny aina. Manaranara , managatsitsika fa tsy tena mangatsiaka🙂 Izaho koa nahatsiaro anao androany (neheritraritra ity dianao tany an-tendrombohitra ity)

  2. Izay mahavangivangy hono tian-kavana🙂 misaotra amin’ny teny mamy sy ny fahatsiarovana🙂

  3. Ohatran’io sary voalohany io no hitako avy lavitra rehefa tsy manjavona koa ny andro, aty ambadiky ny frontière indray no misy ahy @ io😆 misaotra nizara ilay sary, fa tena henoko hatraty koa ny hatsiaka tany angamba t@ io!

  4. Lasa izany ny snowboard a!🙂 Izahay manodidina ny Lac Blanc (Vosges) ihany aloha satria tena mbola be atao. I Tonnum nipetraka taona maro tany haute-Savoie, Annecy sy Thonon-les-Bains (toa an’i Antoine🙂 ), raha mbola eto Frantsa, any no tena tsara! Sambatra eo akaiky eo ianareo, sady ny Alpes siosa koa mafinaritra😉
    Efa naka anio sary vaolohany io aho fa avy aty ambadika!😀

  5. @ Trinitty fantatro fa tsy topi-maso vaovao [vue originale] io anefa mampietana ahy hatrany isaky ny tazako.

    @ Tattum asa raha hanao ahoana izy ity fa efa mia-mafana sahady ny andro. Ny aty amin’ny lemaka efa madiodio mihintsy.

    @-nareo roa hi, hi … samy avy tany Italia izany no ijerevanareo sy nakanareo sary ?😉

  6. 😀 fa tena misy hitovizana re avy aty Frantsa e! Avy lavitra.
    Hé!Hé! Milan est à 4h de chez nous maintenant, que du bon, que du bon😉

  7. Fa anga Trinitty eto Frantsa? Tena haveriko any Canada, ts haiko hoe maninona!
    Izaho sy ny eritreritro koa e!

  8. Misaotra amin’ny rohin’ny sary e ! Tsy ratsy koa ilay mahatazan-davitra😉 mahita ihany fa tsy voatery mizara ny hatsiaka sa ?

  9. […] hafa [2007] | Autres Photos [2007] | Other photos [2007] : Topi-maso an’i Genève  | Genève depuis le Jura | Geneva from the Jura >> […]


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :