Mangatsiaka na dia tsara aza ny andro

Rehefa mitsioka ny rivo-dririnina mangatsiaka « Bise » izay avy avaratra-atsinanana [androany nihena 10-15 km/h], dia manga toy izao ny endriky ny lanitra. Aza mora voafitaka anefa, satria na dia mahafinaritra aza ny tara-masoandro dia vao mainka mitombo ny hatsiaka amin’ny aloka satria raha 0°C ny mari-pana dia -4°C any ho any ny hatsiaka tsapa noho ny rivotra [températures éoliennes na windchill]. Amin’ny alina indray, dia vao mainka mihena ny mari-pana nohon’ny tsy fisian’ny rahona.

Ny andro mazava sy misy tara-masoandro toy izao no andro fanararaotan’ny olona fanaovana ski. Ary satria mbola hisy masoandro rahampitso dia niova ny hevitro io tolak’andro io fa tsy korisakorisa kalesan-dranomandry [luge] indray no hatao fa avy hatrany dia hanandrana zato oram-panala aho rahampitso. Ary satria amin’ny voalohany mila mitandrina fa tsy avy hatrany dia mirotoroto dia tsy maninona na dia tsy misy vovo-panala maivana [poudreuse legère] toy ny ankafiziko aza. Saika hadinoko -5°C eny amin’ny tendrombohitra 2’000 m rahampitso.

Tsiritika ranon’i Genève [jet d’eau de Genève | 27.01.2007 | 16:00]

[lohahevitra sahala >>]

6 commentaires sur “Mangatsiaka na dia tsara aza ny andro”

  1. Tsy matiko lolo mihintsy ity voambolana hoe « Tsiritika ranon’i Genève » ity fa tena kanto, teny vita sary. vaky vava aho ato fa tena tsara ny tenin-tsika🙂 misaotra nanome tsiky🙂

  2. Efa hita fa mitsiritika iny ve dia ilana voambolana hafa indray😉

    Aza misalasala ny manao fanitsiana sy manolotra soso-kevitra raha misy voambolana tandrify kokoa fa tena manankarena tokoa ny tenin-drazantsika😀 Misaotra ny mamaky sy ny manoina e !

  3. tsia ! mety tsara ! tsy misy kihanina velivel. Mazàna misy teny efa ela no tsy ren’ny sofina de miteraka fihetsem-po hafahafa « mampihomehy irery » (eto anolaon’ny solon-tsaina eto). Tsisy fahadisoanao, ary tena marina ny fandikanao, fa misy teny ny teny malagasy rehefa ela dia toa lasa matsiro rehefa re tampoka. Tsy haiko loatra ny manazava azy fa mino aho fa azona ny tiako iaviana e😀

    Raha fintiniko ny resako dia te hiteny aho hoe matsiro ny lahatsoratra eto amin’ny tomavana🙂

  4. Misaotra amin’ny dokam-barotra na dia tsy misy izay amidy akory eto fa ny hevitra no ezahina ampifandraisina na dia eo aza ny elanelan-tany😀

    Efa nambarako ihany moa fa mba antony nanosika ahy ny hanoratra blaogy ny azahoako mampiasa ny tenin-drazantsika … Fa ny tena mampiomehy hoy aho, indraindray eo am-panoratana eo dia tsapako fa tena eo an-tendron-dratsan-tanako eo ilay voambolana fa be kiriana sy maditra tsy mety hosoratana😉
    🙂 Mahita tsirony koa aho rehefa tandrify amin’ilay tiana ambara tsara lay voambolana😀 ary fahafinaretana feno ho ahy ny mizara ny fifalianao mpamaky🙂

  5. […] top | © tomavana | euro 2008 | [Jet d’eau de Genève] Sary hafa | Autre photos | Other pictures | atoandro | jour | daylight >> | alina | nuit | night >> | […]


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :