Tonga ihany ny oram-panala

Par : tomavana

Jan 24

Tags:,

Catégorie: tsetsatsetsa

12 Commentaires

Efa nandrasan’ny maro hatry ny ela aty Suisse … farany nilatsaka ihany ny oram-panala [neige] omaly Talata 23 sy androany Alarobia 24 Janoary 2007.

Ela nitarainana ny olona satria mihoatra 12° ka hatramin’ny 15° amin’ny mahazatra ny mari-pana. Ohatra vao tamin’ny Alahady 21 Janoary 2007 lasa teo no 15°C. Hany ka voafitaka ny zava-maniry isan-karazany ary maro no mamelana mialoha tsy am-potoana sy ho faty rehefa misedra ny fanala mbola ho avy.

Rahampitso tokoa mantsy vao tena hanomboka ny ririnina satria hiverina amin’ny laoniny ny mari-pana mari-katsiaka : -7°C amin’ny lemaka +370m [-10°C amin’ny havoana +1’000m ary -15°C kosa ny +2’000m], sady hitsioka andro maro ny rivotra « Bise » [avy avaratra-atsinanana, 40-65 km/h], hany ka toa -11°C ny hatsiaka tsapa amin’ny lemaka.

Indreo atolotro anareo sary nalaiko io hariva io tao amin’ny « parc des Bastions » sy takariva mody masoandro avy tamin’ny « pont de l’Île » [Genève | 24.01.2007 | 17:45].

12 commentaires sur “Tonga ihany ny oram-panala”

  1. Tena tsara be mihintsy ilay sary voalohany.
    Tara be ilay ririninareo izany an ! Izahay efa -20°C androhany.
    Fa mazava fa tsara tarehy ilay izy any Soissa🙄

  2. salut tomavana!🙂 mitovitovy iany zany tsika fa taty koa vao 3 andro zay vao nilatsaka ny la neige! dia bon courage zany @ ty hiver ty indray e!
    PS: très sympa ton site!

  3. Mikorotandrotana be hono ny toetr’androamin’izao … Ny antitra aty aminay izao dia mimenimenina sy sahy milaza mihintsy fa tsy manaraka norme intsony hono ny saison fa hafa ny taloha. Ny mahafinaritra aloha dia mba miverina amin’ny laoniny ihany ity izy e, toy izao tantarainao izao. Ny aty aminay tsa mba misy oram-panala😦 hanomboka hanao girisagorisa zany ny ankizy any aminareo ?🙂

  4. @ Lilia tena tara be mihitsy ka ny mpamboly no mampalahelo. Raha izaho indray dia tsy olana fa zara aza afaka nampiasa ny bisikileta hatramin’izao.

    Ny toerana indray, na dia tsara aza tsy misy mahasolo ny any an-tanàna sa ahoana ?

    @ Trinitty tongasoa😀 faly mandray anao etoana😀

    Mirary anao koa hanana hery sy fahatoniana hiatrehana ny andro fohy sy ny alina lava mangatsiaka mandritra ny ririnina😉 Misaotra amin’ny fitsidihana e !

    @ Harinjaka efa hatry ny ela no niova ny toetr’andro fa amin’izao noho isika olombelona dia miha-malaky izany fiovan’ny toetr’andro izany😦 tsy maintsy be olona fa hanandrana snowboard ihany aho rahampitso. Mbola eny amin’ny tora-pasika [plage] foana ve ianareo e ?

  5. […] [lohahevitra sahala >>] Publié par tomavana rempli dans tsetsatsetsa Tagged: malagasy, toetr’andro […]

  6. Tsara marina ilay sary vaolohany ka!🙂
    Tamin’ny alarobia eriny, -10°C koa taty, 12°C 2 andro mihaloa, sady tonga dia 20 cm ny oram-panala!
    Tss, ho aiza ity e! Fa mafinaritra rehefa fotsy daholo no manondidina, fa ilay mitondra taomobilina no mbola enjana!

  7. Mitovy mihitsy izany. Hitako ihany ireo sary tamin’ny ‘flickr’😉

    Ny ahy amin’ny bisikleta tsy ny oram-panala no olana fa rehefa manadio làlana ry zareo dia atobiny amin’ny sisin-dalàna ireo oram-panala izay rano-mandry avy eo😦 tsy misy azo aleha intsony fa na amin’ny trottoire, na ampovoan’ny arabe no mandeha😦 danz be

  8. Saingy tsy vitany bisikleta aty misy ahy satria somary dezaka ihany!🙂 Mazoto ianao mbola manohy bisikleta amin’ny ity atsiaka ity ka. Fa izay dia efa miakatra marina ny mari-pana!
    Fa mbola ho isy toa an’ireny hoe mafana dia ny ampitso dia oram-panala ny ady eo.. Je plains les saisonniers..

  9. Tsy manam-potoana ny anaovana fanatanjahantena hafa sady tena mahasalamana e😀 Hoan’ireo mandeha amin’ny dezaka dia mitombo be aty ireo mpampiasa bisikleta ampian’ny herin’aratra [vélo à assistance éléctrique au pédalage].

    Indrisy fa mbola marobe koa anefa ireo mpampiasa scooter izay tena mandoto rivotra be mihitsy,😦
    avo 120-heny mihoatra amin’ny fiarakodia [x120 fois]

  10. Manaona daholo?

    Fa hono ho’aho? Miresaka hiver ihany. Fa tsy fanala ve no tokony ho tena dikan’ny la neige? Ary iny milatsaka iny izy no manoram-panala.
    Orana mantsy no eritreretiko. Avy ny orana fa rehefa tonga ety an-tany izy efa rano. Sa ahoana? Ahitsio aho raha diso!

    Misaotra sy mahereza daholo!

    Lalasoa [Lalasoa Suède>>]
    ——-

  11. Faly mandray etoana ry Lalasoa🙂

    Asa tokoa re izay izay izy, ny olana mantsy dia izao:
    – tsy misy any amintsika ny « la neige »
    – anefa ny fanala any amintsika dia ny « rosée »

    Mitombona mihitsy anefa ny fanamarihanao momba ilay filatsahany. Na dia efa mipetraka amin’ny tany aza, ny ampiasana ny voambolana hoe oram-panala angamba dia ny ampidirana fanavahana amin’ny « rosée » izay fahita any amintsika sy ny « la neige » izay na dia azo lazaina aza hoe mifanila dia zavatra vaovao tsy ananantsika voambolana😉

  12. […] 15 Novambra 2007 ho avy izao dia hilatsaka hatraty amin’ny lemaka sahady ny oram-panala fa tsy ho toy ny tamin’ny ririnin-dasa >> [23.01.2007]. Publié par tomavana rempli dans tsetsatsetsa Tagged: malagasy, […]


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :