Ilay mpanonofy | Martin Luther King Jr.

« Miala any ilay Mpanonofy ! » tsy mpitaingin-tamboho Malagasy fa ny rahalahin’i Josefa no niloa-bava toy izany sy nanomana tetika ratsy, rehefa nahita an’i Josefa nanatona azy ireo [dikateny tomavana😉 Baiboly | Gen. 37, 19].
« Mpanonofy » koa ny Pastora Martin Luther King Jr. ary nohon’ny nofiny koa dia nisy nankahala azy sy nifofo ny ainy. Toy izao ilay nofiny niteraka ny fankahalan’ny hafa :

« […] Aoka isika tsy hihosina ao amin’ny lohasahan’ny fahakiviana.

« Ambarako anareo anio ry sakaizako, na dia tsy maintsy misedra ny fahasarotan’ny andro anio sy rahampitso aza isika, dia tsy haiko ny tsy hanonofy. Tena nofy mifahatra amin’ny nofy Amerikana.

« Nofiko hono fa indray andro any, hitraka ity firenena ity ka hiaina ao anatin’ny tena fototra ijoroany : Tanantsika ho fahamarinana mazava ho azy, fa nohariana mitovy zo ny olon-drehetra

« Nofiko hono fa indray andro any, eny antampon’ny tendrombohitra menan’I Georgie, ireo taranak’andevo sy ny taranaka mpanandevo, dia afaka hiara-mipetraka manodidina latabatry ny firahilahiana.

« Nofiko hono fa indray andro any, na dia ny faritr’I Mississippi aza, izay tena tany hay amin’ny fanaovana tsy rariny sy ny tsindrio fa lavo, dia hovana ho lemaka maitson’ny fahafahana sy ny fahamarinana.

« Nofiko hono fa ireo zanako efatra, dia honina indray andro any amin’ny firenena izay tsy hitsara azy amin’ny volon-kodiny [lokony], fa amin’ny halalin’ny fahendreny kosa.

Izany no nofiko androany ! […] »

« I have a dream » [dikateny tomavana] kabary nataon’ny Pastora Martin Luther King Jr. ny 28 Aogostra 1963 teo anoloan’ny tsangambaton’i Lincoln [Washington, USA] mandritra ny filaharambe hetsika hoan’ny fahafahana, ny zom-pifidianana sy ny asa hoan’ny madinika sy ny mainty hoditra. Olona 250’000 no niara-nilahatra tamim-pandriam- pahalemana, ary ny 60’000 tamin’ireo dia fotsy hoditra.

Raha ireo tantara roa ireo no dinihina dia misy ireo « Mpanonofy » etsy andaniny ary ireo « matahotra izay sahy manonofy » etsy ankilany. Asa loatra izay anton’izay atahoran’ireo olona faharoa ireo, fa raha sendra isan’izay « Mpanonofy » koa ianareo dia izao no faniriako ho anareo, aza ferana ny nofinareo, aza matahotra ny manonofy, itokio ny nofinareo, miadià hahatanteraka izay nofinareo, aza adino anefa fa izany nofy izany dia hankahalahan’ny sasany anareo.

« Aoka isika tsy hihosina ao amin’ny lohasahan’ny fahakiviana » fa mitrakà ary sahia manonofy hoan’i Madagasikara ! [osez rêver | dare to dream]

Bio fohy: teraka tany Atlanta [Georgie, USA] ny 15 Janoary 1929 i Michael Luther King Jr. izay niova anarana ho Martin taty aoriana. Maty nohon’ny tifitry ny basy ny 4 Aprily 1968 i Pastora Martin Luther King Jr. Nahazo ny loka Nobel momba ny fandriampahalemana tamin’ny taona 1964 izy amin’ny maha kalazalahin’ny Fahafahana sy ny fikatsahana fitovian-jo hoan’ny mainty hoditra any Amerika azy. Mbola ankalazain’ny Amerikana isaky ny Alatsinainy fahatelon’ny volana Janoary amin’ny andro tsy fiasana ny fahatsiarovana an’i Martin Luther King Jr [Alatsinainy 15 Janoary 2007].

[bio Martin Luther King Jr. – nobelprize.org >>]

[« I have a dream » photo | vidéo | son | texte >>]

16 commentaires sur “Ilay mpanonofy | Martin Luther King Jr.”

  1. Merci Tomavana pour ce post pleins de beaute.

    « sahia manonofy » ou dare to dream a ete repris avec bonheur par une des valeurs montantes de la politique US, Barack Obama avec son livre:  » The audacity of hope » J’aime que les leaders nous inspirent a suivre nos reves meme si ils ne peuvent pas tjrs etre a la hauteur de leurs ambitions.
    J’aime aussi le courage de MLK Jr non seulement contre la segregation mais a denoncer toutes les guerres (alors le Vietnam). Si seulement Bush pouvait comprendre.
    http://tonykaron.com/2007/01/15/strange-liberators/

  2. Hi!hi! mitovy resaka ianao sy Lova anio.🙂
    Izay aho vao namaky any « I have a dream » amin’ny teny malagasy, hisaorana indrindra, sady misy hienarana faona miaraka aminao. ^^

    Lova> pas mal du tout en effet la prestance de Obama.😉

  3. @ Lova merci de me faire connaître Barack Obama et découvrir Tony. En effet je crains que Bush n’ait pas MLK comme son auteur de chevêt.
    😉 je suis heureux qu’on ai eu la même source d’inspiration pour ce jour😀

    @ Tattum tena tsy nety nahita dikanteny mihintsy aho dia farany voatery nanao samirery😉

    Mahafaly ahy foana ny tsidikao fa misaotra.

  4. salut Tomavana, feno fankaherezana tokoa rehefa avy nijery sy nihaino ary namaky ilay kabary. Sady mbola nampianao an’ilay hoe « Aoka isika tsy hihosina ao amin’ny lohasahan’ny fahakiviana »😉 Mankatelina e!

  5. Rehefa mijery ny asa mbola atrehina dia avy eo mijery ny tanana roa … rehefa niezaka anefa toa tsy misy fandrosoana … rehefa manatona ny fahavizànana … dia tsy lavitra ny fahakiviana.

    Mitovy aminao ihany ry Harinjaka, mankahery tokoa ny mihevitra fa tsy ‘sandry be’ [diplaoma, fahaizana, trai-kefa, ets …] no ilaina fa fahasahiana misedra sy mampihatra ny nofintsika tsirairay [vision | vista].

  6. Tohizako eto so dia masosotra.😉
    – 43° tamin’ny 1987! Kay!
    Ny vaovao dia tonga ny neige (j’ai oublié comment tu as dit ça en malagasy l’autre jour!!) e!
    Je n’étais pas pressée que ça arrive franchement, et ça va tomber abondamment. Je vais apprendre à conduire sur neige, les assurances de la voiture sont prévenues!😀
    Bon, enfin du ski izany? snowboard moa izany.

    Amin’ny Aprily na May any izahay no midina any Neufchâtel/Genève, mety amin’izay no mihona ho an’ny Siosa miblaogy. Sauf si tu montes à Bâle d’ici là.🙂

  7. neige = oram-panala [fanala = givre] ry Tattum a.

    Aty Soisa misy fizarana mitondra amin’ny ranomandry [glace]. Rehefa matokitoky dia afaka mihodikodina sy misitona ‘frein à main’ dia ohatr’ireny hoe tena … !

    ‘Izay tody ihany no arahabaina’ ka ny toro-hevitra mahazatra moa dia ny hafainganam-pandeha manaraka ny toetr’andro. Aleo miadana tody toy izay maika tsy faingana ka tavela an-dàlana.

    Euh ! tonga koa ny oram-panala aty saingy satria mbola tsy tena tsara ny andro dia korisakorisa kalesan-dranomandry [luge] aloha angamba no atao amin’ny faran’ny herinandro. Mety tokoa raha rehefa tsaratsara ny andro mihaona😀

  8. […] la recherche du bonheur, arômatisé à la célèbre phrase de Martin L. King “I have a dream…” avec pour moral s’il fallait en résumer “Quand tu as un rêve, tu dois te […]

  9. […] vali-kitsaka fa vao mainka mitondra fanavakavahana sy fampisarahana.Tsy mitsahatra ny manonofy aho, nofiko hono fa indray andro any, dia ho matotra sy hiray hina ny vahoaka Malagasy ary hitsahatra fa tsy hitodi-kivoho hibanjina ny […]

  10. mankasitraka e!

  11. Misaotra amin’ny fitsidihana sy ny famelan-kafatra Harivony a😀 Ahy ny fankasitrahana kah !

  12. […] ny momba ny “fandraisana anjara amin’ny tsikeram-piaraha-monina” kosa dia ny ohatry Martin Luther King Jr sy i Desmond Mpilo Tutu no mahalaza izay tiako amabara. Angamba fahavoazam-be hoan’ny […]

  13. Marina ny voalazanao,tena miombo-kevitra aminao aho.Zao zao ko dia tena ao anatin’izany tontolo izany fa ny teny tsara aloha raha araham-bavaka le izy e.Manamafy orina azy koa zay,ary ny ezaka amin’izany dia mianga avy amin’ny tsirairay mihitsy.Sady zao koa,Andriamanitra iray no nanamboatra ny fotsy sy ny mainty ka manino isika no mifanavakavaka,sady tsy hoe ny maha-fotsy na maha-mainty no ahatongavana any an-danitra e..sa tsia zany? mankasitraka e

  14. Miombon-kevitra aminao, marina tokoa fa amin’ny maha-Patsora azy dia natombony tamin’ny vavaka ny an’i MLK.

    Misaotra amin’ny fitsidihana sy ny famelan-kafatra Liva a😀

  15. slt!! daholo ann nareo zay manoratra fa tena mafinarita be dia be
    ny fisiany ny zavatra toy ziao
    izahay moa zao vao tena mamaky ny blog nareo d «  » » mahita fa ai vé tena mahay
    miray hiany malagasy eto @ tany i ireo oe!! d zay ary fa misaotra betsaka
    ok bye bye @ manaraka ndray sa ahona ???

  16. Tongasoa mirella😀

    Mahay miray hina mihitsy ny Malagasy … ka tokony harangaranga izany mba tsy ireo tia mifanolana hatrany no ho re feo.

    Misaotra amin’ny hafatra dia mandra-pitafa indray ary e !


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :