07|01|10-14 – Île … était une fois (Madagascar) | Sarimihetsika [Genève, CH]

Ny sarimihetsika « Île… était une fois Madagascar » notontosain’i Antoine dia haseho in-6 miantoana any Genève [Salle Centrale de la Madeleine, rue de la Madeleine 10, Genève | ao ambadiky ny C&A] ny Alarobia 10 Janoary 2007 ka hatramin’ny Alahady 14 Janoary 2007 [fandaharana antsimpirihany]. Na dia tsy Malagasy aza dia afaka mametraka fanontaniana amin’i Antoine ireo mpijery aorian’ny sarimihetsika.

Ny ho hita amin’izany dia andian-tsarimihetsika efatra [Tananarive et la côte est | Nationale 7 malgache, un Road Movie | Le Grand Sud | Le Nord et l’Ouest | Σ = 01:41 ora] miampy ny dinidinika dia maharitra 02:00 ora any ho any ny halavan’ny fotoana manontolo [filankevitra +41 22 310 02 32 | tapakila Service culturel Migros +41 22 319 61 11].

Anivon’ny andiam-dinidinika ‘Fahalalana ny tontolo’ [Connaissance du Monde] dia tanàna maro eto Soisa sy any Frantsa no tetezin’izany hetsika izany, izay sarimihetsika arahina dinidinika entanin’izay naka ilay sarimihetsika.

« Île… était une fois Madagascar » sombin-tsary fampielezana [bande-annonce | trailer]

Mombamomba : Zanatany i Antoine, teraka Pierre Antoine Muraccioli ny 4 Jona 1944 tany Toamasina izy. Na dia afaka niandrandra fianarana ambony aza izy [tafiditra tamin’ny Sekoly ambony école Centrale de Paris] dia ny fitetezan-tany no tena ankafiziny ka lasa mpihira no niafarany. Nanararaotra ny lazany mandritra ny valo taona izy hitetezana firenena maro. Taty aoriana dia navelany tanteraka ny maha-mphira azy mba ahafahany miatrika ny fitetezan-tany izay ankafiziny. Rakitr’ireo diany ireo no zarainy amim-boky sy sarimihetsika.

[lire aussi j’ai assisté à ‘l’Antoine show’ >>]
[Antoine amin’ny vaovao an-tsary 12:45 – TSR1,
Alakamisy 11 Janoary 2007 (4 min.) >>
]
[Antoine amin’ny fandaharan’i Alain Maillard- ‘Recto-Verso’ – Radio ‘RSR1’, Alarobia 10 Janoary 2007 (50 min.) >>]
[Boky sy DVD amin’ny rohy ofisialy antoine.tv >>]
[Antoine araky ny wiki >>]

12 commentaires sur “07|01|10-14 – Île … était une fois (Madagascar) | Sarimihetsika [Genève, CH]”

  1. Ity Antoine iray ity koa dia tena lava tongotra mihintsy, ny fandaharan’izy ity tany Cuba sy Caraïba no efa hitako. Ary tsy fantatro izy ity hoe mihira, mitovy fiaimpiana amin-dry Carlos (Rosalie, Rosalie)🙂

  2. Bonne Année 2007! Somary tara fa tena totitra e!
    Mafinaritra io sarimihestika io, sady mba zanatany tsotra. Bon et beau film en tout cas!
    Mafinaritra fa mihetsika sy misy maro atao any Geneva, maha samy gasy..

    OT: je relisais certains de tes mails, par rapport à la fameuse question que je me suis posée sur toi.😀 Vu que tu n’avais pas confirmé, j’ai donc fait attention à tes liaisons grammaticales.😀
    Non, ça va, je n’ai pas de fièvre, ni surmenée mais j’accorde que je peux me calmer aussi.
    Bonne année!

  3. @ Harinjaka ny ahy ny mahafinaritra ahy taminy dia izy sahy nisafidy izay tena tiany izany hoe ny mitety tany na dia tsy mora aza tamin’izany ny hahitana vola hiainana😀 Mampanonofy ahy aloha ilay hoe antsasa-taona mandehadeha dia ny antsasa-taona manaraka mivarotra boky sy sarimihetsika ahazoana manangom-bola handehanana indray.

    @ Tattum misaotra amin’ny fizarana ny fietseham-ponao momban’ilay sarimihetsika. Efa nanapa-kevitra ny hijery ihany aho😀 anefa vao mainka tena mazoto.

    Dadany indray ilay hoe >j’ai donc fait attention à tes liaisons grammaticale | Rehefa mihaona miresaka mivantana e😉

    Misaotra amin’ny firarian-tsoa😀 Samy tratry ny ho avy daholo e !

  4. Ce n’est pas une bonne nouvelle que je viens t’apporter mais info:
    http://www.clicanoo.com/article.php3?id_article=147080

    Sinon, raikitra ho an’ny hiresaka mivantana. Raha misy mpitoraka-bilaogy afa fantatrao (Nolross sns) dia ataotsika Soisa miblaogy ilay fiovoriana😉, na koa isika samy isika, asa any amin’ny aprily any ohatra. Resaka mbola ho hiverenana.

  5. > rehefa be loatra ny entin’ny cyclone vao maika manahirana
    hoy toOK tamin’ny lahantsoratra momba ny fiarovana ny rano. Mampalahelo tokoa izany avy niaritra ny afo dia tojo ny tondra-drano.

    Na dia izany aza, ohatry ny tsara kokoa ny fiomanana hiatrika ny rivo-mahery noho ny afo. Misaotra amin’ny vaovao.

    Tsy dia mahalala olona firy mpitoraka-bilaogy aty Soisa aho fa asa raha mbola ho avy, fa tsara ilay hevitra😀 ny oram-panala [neige] ity tsy mbola tonga foana😦

  6. Nampiako rohy mirakitra ny sary sy feon’i Antoine avy tamin’ny fandaharana ‘recto-verso’ sy vaovao an-tsary 12:45 etsy ambony.

  7. […] [“Île… était une fois Madagascar” sarimihetsiky Antoine ao Genève >>] [Interview Téléjournal de 12:45 – TSR1, jeudi 11 janvier 2007 (4 min.) >>] [Interview de Antoine au micro d’Alain Maillard- émission ‘Recto-Verso’ – Radio ‘La première’ (RSR1), mercredi 10 janvier 2007 (50 min.) >>] [DVD et livres chez antoine.tv >>] [Antoine selon wiki >>] […]

  8. mandalo ety akaikikay (aix en provence) i Antoine rahanpitso hariva ka mety hijery any angambany raha misy namana. tena manampy be ilay rohinao amin’ny fanam-pahan-kevitra satria 30 mn @ autoroute dia somary misalasala :p

  9. Nifanojo ny eritreritsika fa vao nametraka hafatra momba io tany amin’ny Malagasy Miray aho omaly hariva😉 f’angaha tsy ny mpanao kiraro indray no manao kapa ilany🙂 adinoko ity lahantsoratro ity fa isaorako ianao namana tsy manadino nameno izay banga.

    Mba azonao zaraina koa ve izay fahitanao azy rehefa avy eo ?🙂

  10. […] avant d’ aller à cette conférence, mais les articles que Tomavana a posté (à la fois en malgache et en français) à propos de ce documentaire m’ont vraiment séduit et je n’ai pas […]

  11. […] avant d’ aller à cette conférence, mais les articles que Tomavana a posté à la fois en malgache et en français, m’as finalement laissé séduire et je n’ai pas regretté d’y […]

  12. No comment


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :