06|12|25 – Krismasy iraisam-pinoana Malagasy [Lausanne, CH]

Ny Krismasy iraisam-pinoana hoan’ny Malagasy eto Soisa sy ny manodidina dia tanterahina ny Alatsinainy 25 Desambra 2006, ao ambany fikarakaran’ny FKMSM [Fiangonana Kristiana Malagasy eto Soisa sy ny Manodidina], ary atao any amin’ny fiangonana protestanta Sévelin [avenue de Tivoli 74, Lausanne]:
– amin’ny 12 ora atoandro, sakafom-pihavanana [samy mitondra ny sahaza],
– amin’ny 3 ora tolakandro, fotoam-pivavahana iraisam-pinoana ambany fitarihan’ny môpera Malagasy izay hanao ny hômelia [toriteny] sy mpitandrina Malagasy izay hanatanteraka ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo [Eokaristia], marihina ny fandraisan’ireo antokom-pihira Malagasy Valihan’i Jehovah sy Sampana Tanora Lausanne [STL] anjara,
– mifarana amin’ny firavoravoana ‘bûches de noël’ ravahan’ireo hira sy tsianjerin’ny ankizy ny fotoana.

2 commentaires sur “06|12|25 – Krismasy iraisam-pinoana Malagasy [Lausanne, CH]”

  1. Izany ka krismasy!
    Niara- nihira tamin’ny anjely ny mpiangon’ny FKMSM rehetra tamin’ny noely teo nanandratra ny Gloria in exelcis Deo.
    Faly ny olona nankalaza ny fahatongavan’ilay Jesoa zazakely ary hita fa vonona avokoa handray azy.
    Ho Noely isan’andro anie no iainantsika!

  2. Indroa misesy amin’ny fotoana fohy monja ? Izay mahavangivangy tokoa … tian-kavana ka dia mirary Krismasy sambatra ho anao.

    Izaho koa dia nahatsapa fiadanana sy tena fifaliana tamin’iny fankalazana iny Noely niarahantsika iny. Ary miombona aminao aho amin’ilay firariantsoa mba ‘Ho Noely isan’andro anie no iainantsika !’😀


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :