Faharoa no hisy vehivavy filoham-pirenena hitondra an’i Soisa hatramin’ny taona 1848

Par : tomavana

Déc 14

Tags:,

Catégorie: tsetsatsetsa

4 Commentaires


Ny Lapa Federaly sy ny Kianja Federaly, Neoly 2006 [Palais Fédéral et Place Fédérale, Bern, CH] sary nadika avy tamin’ny www.parlament.ch

Ny Alarobia 13 desambra 2006, Ramatoa Micheline Calmy-Rey [année de présidence 2007, élue du canton de Genève, Socialiste, 147 voix sur 192] no vehivavy faharoa voafidy hitondra ny firenena Soisa mandritra ny taona 2007. Marihina fa hatramin’ny taona 1848 dia miova isan-taona ny ‘filoham-pirenena Soisa’ izay safidin’ny solombavam-bahoaka amin’ireo ‘conseillers fédéraux’ fito am-perin’asa, matetika dia izay filoha lefitra no fidiana ho filoha amin’ny taona manaraka.

Ny vehivavy filoham-pirenena Soisa voalohany dia Ramatoa Ruth Dreyfuss [année de présidence 1999, élue du canton de Genève, Socialiste, 158 voix sur 192]. Vehivavy ‘conseillères fédérales’ filoha lefitra roa kosa no voasembana tsy ho filoha ny taona tokony hifidianana azy ireo, Ramatoa Elisabeth Kopp [élue du canton de Zürich, PRD/droite (Parti Radical-Démocratique)] izay filoha lefitra nametra-pialana ny taona 1989 sy Ramatoa Ruth Metzler [élue du canton d’Appenzell Rhodes-Intérieur, PDC/centre-droit (Parti Démocrate-Chrétien)] izay filoha lefitra tsy noavaozin’ny solombavam-bahoaka mpifidy intsony ny maha- ‘conseillère fédéral’ azy ny taona 2003.

Isan’izay miravoravo aho isaky ny mahare vaovao mitaratra ny fivoatry ny zon’ny vehivavy eran-tany amin’ny ‘ankapobeany’, tsy mahajambena ahy anefa izany [cela ne m’éblouit pas] satria fantatro fa mbola ho lava ny làlana. Amin’izao ankatoky ny hanambaran’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana [Haute Cour Constitutionnelle (HCC)] ny valim-pifidianana filoham-pirenena any Madagasikara izao, aorian’ny nifidianana an-dRamatoa Angela Merkel any Alemana, iza no firenena manaraka, i Frantsa, i Amerika ? Rahoviana vao hoheverin’ny Malagasy fa tsy mena-mitaha amin’ny zanany lahy koa ny zanany vavy ?

vakio koa ‘Micheline Calmy-Rey présidente …’ [swissinfo]>>

lahantsoratra sahala>>

4 commentaires sur “Faharoa no hisy vehivavy filoham-pirenena hitondra an’i Soisa hatramin’ny taona 1848”

  1. Tsara be ny any aminareo🙂 azo itarafana hatramin’ny arabe ve nama🙂 Dia arabaina koa nahazo filoha vaovao🙂 ary ny filoham-pirenena malagasy vehivavy koa angamba efa tsy ho ela intsony🙂

    Manaova faran’ny herin’andro finaritra🙂

  2. Angamba mazava amin’ny rehetra fa tsy dia ilay izy vehivavy no zava-dehibe fa ny talentany. Ny mampalahelo fotsiny dia matetika rehefa vehivavy dia adikan’ny sasany avy hatrany fa ‘tsy hahavita azy’😦

    Manaova koa ankatoky ny Noely sambatra Harinjaka a ! Dia aza adino ny miala-sasatra fa sady takian’ny vatana izany no ilain’ny saina koa😀

  3. Misaotra betsaka🙂 ianareo any ko torak’izany😉

  4. […] tsy fiasana androany, tsy misy miaramila manao matso [défilé] fa kabarin-dRamatoa filoham-pirenena avy eny amin’ny sahan’i Grütli no handravaka ny fahitalavitra [TV]. Fiverenana […]


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :