06|12|16 – ‘CD live’ raki-pahatsiarovana ny Krismasy Malagasy [Lausanne, CH]

Mba hanalavana ny fotoam-piravoravoana, dia afaka mitondra raki-pahatsiarovana dika mivantana ‘CD live’ mody avy hatrany ireo mpanatrika ny antsam-panahy Krismasy Malagasy tanterahina ny Asabotsy 16 Desambra 2006 amin’ny 7 ora hariva any Lausanne.

Ireo antokom-pihira mandray anjara dia ny Antendrom-piderana, ny FPMA Annemasse, ny Sampana Tanora Lausanne [STL], ny Valihan’i Jehovah [VJ] ary ny Zaram-pifaliana, hotronin’ireo mpanakanto Malagasy i Antsa, i Christiane, i Felana, i Holly, i Liria, i Lisy, i Ndroso ary i Sata.

Amafisina ny fiovan-toerana anatanterahana izany fotoana izany, ao amin’ny fiangonana protestanta Sévelin [Avenue de Tivoli 74, Lausanne] ao ambany fikarakaran’ny FKMSM [Fiangonana Kristiana Malagasy eto Soisa sy ny Manodidina].

Tsy misy vidim-pidirana, anefa aza misalasala ny mamandrika sahady izany CD fahatsiarovana izany ao amin’ny valihaj.fkmsm.ch

flyer >>

lohahevitra sahala >>

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :