Manomboka ny tetezam-piaramanidina [Ambohitranala +50 andro]

Par : tomavana

Déc 7

Catégorie: fanohanana

2 Commentaires

Toy izao ny fijery ny seranam-piaramanidin’i Sahakevo, sary nadika tamin’ny blaogin’i Matthew sy Rhonda Slaubaugh [mpiasan’ny MAF].

Nanomboka tamin’ny Alatsinainy 4 Desambra 2006 teo ny tetezam-piaramanidina hamatsiana ireo Malagasy tsy manankialofana any amin’ny faritr’i Marolambo, amin’ny alalan’ny seranam-piaramanidin’i Sahakevo [Distrika Marolambo , Toamasina, MD]. Fihodinana 4 [rotations] no kasaina amin’ity herinandro ity, ary fantsika 7 sm sy savily ary fanalahidy [clous de 7 cm et ferrures] no entana maika kasaina ho entina amin’izany.

Marihina fa araky ny tanjon’ny ny fiangonana protestanta Batista “Fanantenana” any Herten [DE] izay nahazoana ny fanampiana, dia ho an’i Manakana II manontolo ireo fanampiana ireo [voina 2 Oktobra 2006, trano 184 rava]. Amin’ny herinandro ambony kosa no andrasana ireo fitaovana hoan’Ambohitranala [voina 18 Oktobra 2006, trano 452 rava] vokatry ny fanampiana avy amin’ny FKMSM [Fiangonana Kristiana Malagasy eto Soisa sy ny Manodidina]. Satria kely ny fanampiana hoan’Ambohitranala na dia ngeza kokoa aza ny voina [2.5 x], dia nanome toky ny mpiandraikitra fa hanokana izay ambim-bava amin’ny fanampiana an’i Manakana II hamenoana ireo banga maika any Ambohitranala.

Fihodinam-piaramanidina 12 [rotations] no kasaina hotanterahina alohan’ny faran’ny taona 2006, anefa miankina koa amin’ny hafaingan’ny fitaterana any an-toerana. Tsahivina fa dian-tongotra 3-4 ora no ataon’ireo mponina mitatitra ireo fitaovana ho any Manakana II sy Ambohitranala, ankoatry ny asa fanorenana sy ny fambolem-bary [fahavaratra = fanetsana].

Ambohitranala +43 andro >>

Ambohitranala +28 andro >>

Ambohitranala +23 andro >>

Ambohitranala +14 andro >>

Ambohitranala +10 andro >>

vakio koa ‘Vonjy hoan’i Manakana II’ [Malagasy Miray] >>

2 commentaires sur “Manomboka ny tetezam-piaramanidina [Ambohitranala +50 andro]”

  1. Misy fikasana mijoro tsara sy mandroso koso any @ tanana lavilavitra izany…
    Milay be ilay sary, indrindra fa ilay fifamaliana (symétrie) anireo elatra, tena eo ampovoany😀

  2. Hitako hoe tsara ilay hevitra, raha tsy fiara-manidina mantsy tsy tody any mihintsy raha tsy 3 andro [fiarakodia 1 andro + dian-tongotra 2 andro].

    Sary ngeza io no natandrifiko [recadrer]😉 misaotra amin’ny fankasitrahana.


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :