06|11|19 – Fivavahana, hira sy vakoka Malagasy [Genève, CH]

Misy Kermesy izay tanterahin’ny fiangonana Plan-les-Ouates [Perly-Certoux, Bardonnex], Genève [CH], ny Alahady 19 Novambra 2006:
– amin’ny 10 ora maraina, fotoam-pivavahana andraisan’ny antokom-pihira Malagasy Valihan’i Jehovah anjara, ao amin’ny fiangonana Plan-les-Ouates, Genève [CH]
– amin’ny 11:30 ora, sakafom-pifaliana [lehibe:25.- CHF|ankizy: 10.- CHF] sy tolakandrom-piravoravoana, ravahin’ny hira sy vakoka Malagasy izay tanterahin’ny Valihan’i Jehovah, ao amin’ny salle communale de Compesière [any akaikin’ny Croix-de-Rozon, làlana mankany Collonges-sous-Salève].

6 commentaires sur “06|11|19 – Fivavahana, hira sy vakoka Malagasy [Genève, CH]”

  1. mihetsiketsika mihintsy ny ankizy any Genève any izany🙂

    mahafinaritra !🙂

  2. Ny mpanasa no betsaka, anefa noho ny fotoana tery dia maro ireny fanasana ireny no voatery laviny ary ampitainy amin’ny tarika namana Malagasy hafa. 12 taona nampahalalana an’i Madagasikara aty Soisa izao ny Valihan’i Jehovah.

  3. Izaho akaiky ny Bâle kokoa faha mbola ho avy hikorana miaraka amin’ianareo indray andro any. Farany nandianako tany Siosa izao dia Neufchâtel.
    So dia manfatatra gasy ao Bâle kay ianao?

  4. Mampalahelo😦 fa nifandimby nodimandry vao tsy ela ireo mpirahalahy namanay fahiny mipetraka tao Bâle. Mbola ao ny anabaviny sy ny reniny saingy tsy mifanerasera loatra amin’ny maro.

    Ankoatr’izay, ny Valihan’i Jehovah no ho tonga any Bâle amin’ny Alakamisy 23 Novambra 2006 izao, saingy toa fety anivom-panasana [vernissage] izy io ka tsy misokatra hoan’ny rehetra.

  5. Misaotra ho an’ilay valinteny, adinoko faona no miteny anao!
    Mampalahelo marina izany, saingy lalam-piainana, izany hoe izy mpirahalahy no tena loza…
    Mba mankany any aho indrindray fa mbola tsy nahita gasy mantsy..

  6. Manasa antsika rehetra hanatrika ny fampisehoan’i Samoela aty Strasbourg ny faha-20-n’ny volana Febroary 2010. Veloma Tompoko…


Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :