Momba ity
Valovotaka mpila ravinahitra aty Soisa ankehitriny, fa teraka sy nianatra tany Madagasikara ny tenako. Ny mba hamelombelona indray ny fifehezako ny soratra teny Malagasy, izay zary tsy fampiasako intsony (antso an-tariby, finday, SMS, imailaka …) no niantombohan’ny tantarako ara-blaogy. Noho izany dia amin’ny teny Malagasy ny ankamaroan’ireo lahatsoratra diam-peniko.
Miombon-kevitra amin’ny Ntaolo aho izay milaza fa “ny hevitry ny maro no mahataka-davitra”. Ho fitarihan-kevitra amin’ny fifanakalozan-kevitra ary, dia manolotra lohahevitra “tsikera ombam-panatsarana” mikasika ny fiaraha-monina any an-tanindrazana sy aty Soisa aho, na “tsetsatsetsa tsy aritra” izay zavatra manoina ahy.
Farany, tsy an-kanavaka no anapariahako ireo hetsika rehetra mikasika an’i Madagasikara sy ny Malagasy aty Soisa [fampisehoana, fivavahana, fampiratiana ...] (tsy mila miantso ahy an-tariby hanontany intsony ianao izany) satria “izay fantatro ihany no ambarako anao” ary raha sitrakao ny hahavangivangy dia “izay hitako ihany no asehoko anao.”
tomavana[amin'ny]gmail.com

tomavana tena soa,
ny andro nirna toa vaosoa
…
Misaotra betsaka fa tena kanto, ohatra ny mahita anao mihintsy…..
hay ve misy anizao ato zalahy reto aaaaaaaaaaaaa de vao ziao vao mba naita de hoato madina zany k’nou!!
Faly mandray anareo mpamangy etoana, tompontrano ianareo fa tsy vahiny ka aza misalasala:D
Un regard inoubliable;0) Manja lay bilaogy ka. Anay koa 3 anaka fa tsa manampotoana e!!:-)))))
Faly mandray anao etoana chikitin
tsara, misoatra anao nampahalala vaovao. tohizo
Ianao no isaorako amin’ny famangianao sy ny teny mamy ry Nancy
mahita zava-tsoa hatrany rehefa tia karokaroka. ilay mpitsidika kisendrasendra zao hanjary hamangivangy matetika. satria tsara endrika ilay trano, mahaliana ny fanaka ao anatiny ary mahavoky ny sakafo atolotra. mankasitraka sady mamporisika.
l.n
Faly mandray anao etoana ry Laza, mino aho fa tsy misy ny kisendrasendra fa izao no fotoana voatendry hihaonantsika, malalaka ny tranontsika ka aza misalasala fa misy toerana ho anao mandrakariva ao, fifanakalozana ny antsika ka ireo fanaka ao dia ireo hevitra sy hafatra apetrak’ireo mpamaky indrindra no manome azy endrika vaovao ary tsy hani-mahavoky re fa voninahitra ifampizarana. Misaotra amin’ny teny mamy sy ny famporisihina
Tomavana!
Nalaiko ny pejinao dia nataoko rohy any amiko.
Mahaliana mantsy ny ato aminao
Faly mandray anao etoana ry Ikalakely
Misaotra amin’ny teny mamy fandrisihana sy ny amin’ny rohy fampahalalana. Faly aho fa mitombo hatrany isika manoratra lahantsoratra amin’ny teny Malagasy.
[...] Momba ity [...]
miarahaba e!
mmhhh efa nifanena tany Genève tokoa isika fa tena fanina aho e!!! hihi iza moa!!! sa i M…,
bizz be ao @ fianakavianao ao e!!!
Misaotra amin’ny fitsidihana dia ataoko tsara laza amin’ny fianakaviana fa aza matahotra
Bonjour,
Sendra namaky tato ny tenako ary mahita fa mahafinaritra ny zavatra ataonareo.
Tohizo hatrany e!
Mirary fahombiazana!
Misaotra amin’ny fitsidihana sy ny famporisihina ry hrz !
Salama daholo e. Mino aho fa tsy ianareo ao soisa ao ihany no mahazo tombony eto @ blogy e, niparitaka hatraty aminay, eny fa na dia tsy handray anjara @ zay fampisehona sy zava-maro karakarainareo any aza zahay, dia faly koa satria makotrokotroka hatraty amponay aty ny halebeazany e. Tsy mba misy izany aty aminay e. Mbola hisy ihany angamba fa ho avy ny fotoana. Tonga any minareo any ny fanasàna raha vao misy. Mahereza, mazotoa daholo @ fanompoana ny Tompo fa ao no tena be karama sy be tombontsoa. veloma vetivety.
Ô ry Aro a ! Dia ianareo tsy manasa fotsiny anie fa izaho mino fa misy vonona foana ny hamonjy anareo any raha vao mangataka ianareo.
Saingy marina ny anao fa misy fotoany ny zavatra rehetra, ka mbola ho avy ilay andro.
bnjr!
Nandalo dia nahita ny zavatra ato,tena mahafinaritra sady mahafehy tsara ny teny gasy koa ianao,kanto ny fomba filazanao hevitra iray tsara kah! mahavariana misaotra
Amin’ny famangivangiana sy ny fampaherezana
ianao no isaorana ry fara vololona amin’ny famelana hafatra