
« Mpitendry kabosy » Jam session à Fianarantsoa [#Madagascar]
Par : tomavana
Tags:chant traditionnel, fianarantsoa, foto, hira, Iphoneographie, Kabosy, korana, madagascar, madagasikara, malagasy, malgache, Musique du Monde, Orchestre, photographie, photographies, photography, photos, Street Photography, tradition, trottoir, vako-drazana, WORLD MUSIQUE
Catégorie: sary
| Ouverture : | f/2.8 |
|---|
Mbola vitsivitsy aloha ny olona amin’ny voalohany, saingy tsy ela dia mihamaro mitangorona. Zary tsy omby intsony amin’ny fandehanan’ny mpandeha-tongotra, izay zara fa misy rahateo, ka zary manery ny arabe RN7. Tsy ela dia manaraka ny ban-kira amin’ny teha-tanana ireo mpanatrika. Arahina horakoraka sy hehy vaky ho valin’ny haitao « Rija Betsileo »-n’ireto mpiangaly. Zara fa tafatsofoka ny tanako ahafahako mitahiry ity fahatsiarovana ity: fotoam-piravoravoana izay sady tsotra no tsy nampoizina.
[FR] D’abord clairsemé, l’attroupement attire de plus en plus de monde. Le trottoir étroit ne contient plus une foule de plus en plus compacte qui déborde largement sur la RN7 [Route Nationale 7]. Les spectateurs frappent en rythmes dans leurs mains. Des clameurs de satisfaction et des rires se mêlent à la musique en réponse aux musiciens qui maîtrisent l’art du « *Rija Betsileo ». Je parviens tout juste à faufiler mon bras pour immortaliser ce moment de bonheur aussi simple que spontané.
*Rija ou Horija : En plus de ses dimensions mélodique et instrumentale, le Rija possède une facette parolière et poétique illustrées par les rimes bien ciselées, les phrases imagées et les messages sociaux chargés d’humour.
© tomavana | « Mpitendry kabosy » |
[RN7, Fianarantsoa, Madagascar]
[sary hafa | autre photo « Mpitendry kabosy » - friendfeed.com/tomavana >>]

mahafinaritra e
misaotra nizara
Ratsy ny andro taty Genève androany …dia lasalasa any an-tanindrazana ny eritreritro ;D Misaotra mahavangivangy e, mankasitraka !