
Miasy Raoloson concerts [Genève]
By: tomavana
Tags:bass, carouge, concert, EOS 450D, genève, guitare, jazz, Jazz-rock, madagascar, madagasikara, malagasy, malgache, mawenzi, meyrin, miasy raoloson, musique, pop-rock, rock, zam zam
Catégorie: fampisehoana
| Aperture: | f/4 |
|---|---|
| Focal Length: | 85mm |
| ISO: | 1600 |
| Shutter: | 1/14 sec |
| Camera: | Canon EOS 450D |
Asa raha ny fijeriko … fa ianareo koa ve tsy mahita hoe mitovitovy endrika amin’i Miasy Raoloson ilay mpihira atsy amin’ny sary atsy aloha ? Mandra-pametrako aminy ny fanontaniana, dia fantarò fa hanatanteraka fampisehoana miaraka amin’ireo tarika andraisany anjara i Miasy Raoloson :
- Zam Zam ny Alakamisy 13 Novambra 2008, manomboka amin’ny 21:00 ora alina any amin’ny LE BOX [Auberge du Cheval- Blanc, place de l'Octroi 15, 1227 Carouge | Genève]. Ireo hira madinika amin’ny teny Frantsay [french pop-rock] no sehatra izay amelaran’ny Zam Zam ny talentany [filankevitra : www.lebox.ch | Tél. : 022 343 61 61].
[Zam Zam - zamzam.ch >>]
- MAWENZI ny Asabotsy 15 Novambra 2008, manomboka amin’ny 20:30 ora alina any amin’ny APCJM [ambany rihana sekoly ambaratonga fototra Meyrin village, avenue de Vaudagne 6-8 , 1217 Meyrin | Genève]. Hira Jazz-rock kosa no voizin’ity tarika iray ity [filankevitra : www.lebox.ch | Tél. : 022 783 02 98].
© tomavana | Miasy Raoloson |

Raha atao sary itatra (caricature) dia mitovy tokoa aloha e
. Fa ankoatr’izay : ny iray maontina tsara, moa ila iray hafa mikiaka be
.
Feno fitaka ny sary … fa tena “maditra” sy mimenomenona mihitsy io gitara basy [vava] io rehefa omen’ny tarika anjara fitenenana i Miasy … fa mody maotina fotsiny io
hitako nitendry izy io tany amin’ny concert-n’i Felana ka sadaikatra sy faly aho nahita sy naheno ny talentany.
Misaotra anareo rehetra
Mbola betsaka ny concerts ho avy
Miasy
@ jbR tamin’iny fotoana iny no nakako io sary io
@ Miasy mazotoà … dia aza adino ary ny mampandre ny akama .. fa miandry ny vahoaka