
Saina vaovao | Nouveau drapeau | New flag
Par : tomavana
Tags:ambassade, drapeau, drapeaux, embassy, foto, genève, geneva, Iphoneographie, madagascar, madagasikara, madagaskar, malagasy, malgache, photo, photographie, photographies, photography, photos
Catégorie: tsetsatsetsa
| Ouverture : | f/2.8 |
|---|
Niaraka tamin’ny fahatongavan’i Guy Rajemison Rakotomaharo, Ambasadaoro vaovao dia nisolo vaovao mbamin’ilay saina antitra izay nandravaka ny Masoivohon’i Madagasikara aty Genève |
Le vieux drapeau drapeau ornant la façade de l’Ambassade de Madagascar à Genève à été remplacé avec l’arrivée de Guy Rajemison Rakotomaharo comme nouvel Ambassadeur |
The old flag flag adorning the front of the Embassy of Madagascar in Geneva was replaced with the advent of Guy Rajemison Rakotomaharo as new Ambassador |
© tomavana | Ambassade de Madagascar
[avenue de Riant-Parc 32, Genève]

finally lol lol
Tongasoa eto ianao ry Ariniaina
misaotra amin’ny famangivangiana
Vao hitako fotsiny ny lohateny dia tsaroako sahady ilay lahatsoratrao iray iry
. Ka tonga dia lasa ny saiko : mety mba hitan’ireo tompon’andraikitra ao angamba ny blaoginao ka dia nanohina azy!
Maromar’o ny tahaka izao e!
Eto aho dia lasa saina : raha mba voajerin’ireo tompon’andraikim-panjana moa ny soso-kevitra mahasoa amin’oitony blaogintsika itony … mety handroso haingankaingana kokoa i Madagasikara.
Asa … azo oharina amin’ny baolina koa angamba ny pôlitika : izay tsy eo ambony kianja no mahita ny hevitra tsaratsara kokoa. eritreritra ka alefa e
.
>Vao hitako fotsiny ny lohateny dia tsaroako sahady ilay lahatsoratrao iray iry
Misaotra amin’ny famangivangiana e
>azo oharina amin’ny baolina koa angamba ny pôlitika
Ilay resaka saina indray tamiko tsy dia "taranja" pôlitika loatra fa hasin’ny tanindrazana satria fetim-pirenena iny fotoana iny. Asa raha henonareo ireo adihevitra nateraky ny sioka nataon’ireo mpijery tany Paris nandritra ny hiram-pirenen-dry zareo ?
Tena marina ny teninao fa mba vavan’ny "spektà" fotsiny ny ahy … ary ny tanjoko tsy dia ny hanao tsikera hanoso-potaka loatra … fa "tsikera ombam-panatsarana" … asa angamba indraindray misy fahamarinany ihany ireny "taim-bavan’ny spektà" ireny
Tomavana > Tsy hoe resaka pôlitika akory na fiandrianam-pirenena fa pôlitikam-piandrianam-pirenena e hihihi. Ary marina ny voalazanao : anjaran-dry zareo ny maka izay heveriny fa tsara. Ny antsika dia ny milaza izay tsikaritra fotsiny
.
Reko tokoa ilay nitranga t@ fetim-pirenena tao @ ambasady tao Paris. Tsy tadidiko tsony hoe blaogin’iza na an’iza izy iny fa voateny tao ny hoe : tsy hajain’olona intsony ny hiram-pirenentsika fa dia ilaozan’ny sasany miresaka sy misotrosotro sisa.
>tsy hajain’olona intsony ny hiram-pirenentsika fa dia ilaozan’ny sasany miresaka sy misotrosotro sisa
Ka tsy ny olon-tsotra fotsiny anie. Tsy vitsy amin’ireny namana tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Ambasady ireny … no ohatry ny eo am-pihirana ny hiram-pirenentsika vao mitady … izy anefa no isan’ireo solontenam-panjakana na "ray aman-dreny" mijoro ery loha-laharana ery
Asa raha mba hahatsiaro tena amin’izao na ilana ampanaovina fanadinana hiram-pirenena Malagasy ny Diplaomaty ?
Izahay r’ise zanak’antitra a ! Isan’irony nanangan-tsaina isaky ny Alatsinainy maraina sy mampidina rehefa Zoma sady mahay ny tonony sy feon’ny hiram-pirenentsika hatrany an-tsekoly irony
Marina tanteraka Tomavana a
tsara izany ny saina .misaotra e!
Tsy misy fisaorana ry Sendra a !
Ianao no isaorana tamin’ny famela-kafatra
ary dia mirary Noely sambatra ho anao sy ny fianakavianao