08|06|07 – Gasy ka raha 6 [Genève, CH]


« Andeha isika hiara hamantatra ny hakanton’ny vakoka Malagasy, ireo hira isam-paritany, ireo dihim-paritra, ireo hai-nahandro mampiavaka azy … »

Toy izany no fanasana tsotra voaraiko anefa dia nanitikitika ny saiko. Ka na dia mifanindry amin’ny fotom-panokafana ny Erô-kitra 2008 [euro 2008] izay hotontosaina aty Soisa sy Aotrisy aza … dia iezahako ny hanatrika izany … satria mbola betsaka ireo lalao kitra azo arahina mivantana amin’ny fahitalavitra vao ho tapitra ny volana Jona 2008 … no « tsy indroa mandry am-bavahady » ny valala toy itony aty Soisa aty

Ho famatsiana ny tetik’asa VJ FANORENANA izay hananganana kianjam-pilalaovana sy fanatanjahantena hoan’ny ankizy sy tanora any Madagasikara, dia misy takarivan-korana « Gasy ka raha  » andiany faha-6, izay anasan’ny antokom-pihira Valihan’i Jehovah ny rehetra, ny Asabotsy 6 Jona 2008, manomboka amin’ny 19:00 ora hariva ao amin’ny trano vadim-piangonana Saint Pie X [Salle paroissiale de Saint Pie X, chemin du Coin-de-Terre 2, Châtelaine, Genève | fandraisana anjara 10.- CHF na 7.- €].

2 Responses to “08|06|07 – Gasy ka raha 6 [Genève, CH]”

  1. Encore un peu tôt pour moi mais je te dis rdv à la Fête de la Musique à Genève alors? ;)
    Une fois qu’on a connu ça, une telle qualité de sono et de spectacle, on n’a qu’envie de revenir. Mais j’imagine déjà la foule avec l’Euro 2008…:)

  2. à la Fête de la musique alors :D cela risque d’être bigarré avec les nombreux supporters de foot de l’Euro’08.

    Sinon la j’ai appris que pour la région lémanique, la fête Nationale malgache va être fêté le samedi 28.06.2008


Leave a Reply