Ny Ako 2008 [Suisse, France, Belgique, Pays-Bas, Royaume-Uni]
By: tomavana
tags: madagascar, madagasikara, malagasy, malgache, ny ako
Category: fampisehoana, fivavahana
« Vonjeo ny taninay » [Vohay ny lanitrao Andriamanitray ô, ka midina Ianao vonjeo ny taninay ...] Ny Ako | Isaorana an’i Charlesramaroson
Ny Tarika Kristiana Malagasy Ny Ako dia hanatanteraka andian-drindran-kira izay hitetezany firenena 5 aty Eorôpa [Soisa, Frantsa, Belzika, Hôlanda, Angletera] mandritra ity lohataona 2008 ity. Jereo amin’ny rohy ery ambany ny antsimpirihan’ny fandaharam-potoana [fampisehoana, fivavahana, sakafo, sns ...].
Ny Ako dia teraka tao amin’ny sampana mivoy ny kolotsaina izay nanomboka tamin’ny taona 1989 tao anivon’ny Fikambanana Mpiara Mamaky ny Baiboly any Madagasikara [Ligue pour la Lecture de la Bible], izay manana ny foibeny any Mandriambero [Avaratra Andrefan'Antananarivo]. Tamin’ny taona 2006 no nandalovan’ny tarika Ny Ako farany taty Eorôpa, satria isaky ny roa taona no anatanterahany ny andian-drindran-kira aty ampitan-dranomasina.
[Ny Ako - ny-ako.net >>]
[Andian-drindran-kiran'Ny Ako 2008 (Soisa | Frantsa | Belzika | Hôlanda | Angletera : 27.03.08 - 27.06.0 - nyakoeneurope.free.fr >>]
« Ny Ako » sary nindramina tany amin’ny sel [Service d'Entraide et de Liaison] >>
