Lebu | Ny rivomahery Ivan tantarain’izay nisedra azy tao amin’ny nosy Boraha
By: tomavana
tags: cyclone, ivan, kere, madagascar, madagasikara, malagasy, malgache, rano, rivodoza, rivomahery
Category: fanohanana, rano
© lebu [aka Laurent Buri] « Nosy Boraha, mandritra ny fandalovan’i Ivan » | Un autre monde, une autre vie… >>
[traduit du français - Cyclone Ivan : déroulement >>]
« Mbola velona ihany izahay, mbola mijoro hatrany izahay, rahampitso izahay manomboka manarina ny rava » [Vivant nous sommes, debout nous nous tenons, demain nous reconstruisons... ], lebu.
Toy izany no anombohan’i lebu [aka Laurent Buri], izay Soisa talen’ny hôtely *Princesse Bora Lodge any amin’ny nosy Boraha, ny tatitra nataony tao amin’ny blaoginy momba ny fandalaovan’ny rivomahery Ivan tany an-toerana.
Asabotsy 16 Febroary 2008
06:00 ora : manomboka mihamafy ny rivotra
09:00 ora : manomboka milatsaka ny orana
15:00 ora : mifonjaka ny orana, tsy tazana intsony ny hazavan’ny masoandro
20:00 ora : nohon’ny hamafin’ny rivotra dia tapatapaka hatramin’ireo ratsan-kazo madinika, nihidy an-trano izahay.
Alahady 17 Febroary 2008
04:00 ora : Eo an-tampon-dohanay i Ivan izay nitsioka nandritra ny alina manontolo, tena mahatsikaiky
06:00 ora : tandrify ny mason’ny rivomahery izahay, eo afovoany. Tony ary tsara ny andro no sady mafana be sy mando
08:30 ora : tapitra ny fandalovan’ny mason’ny rivomahery, miverina mihamafy indray ny rivotra
08:35 ora : mahatratra 250 km/ora ny tafio-drivotra, nohidianay ny karetsaka dia mipitsaka ao an-trano izahay
09:30 ora : nohon’ny hamafin’ny orana dia miakatra ao an-trano avy amin’ny gorodona ny rano, tsy mitsahatry ny mively sy manambana ny hanidina ny tafo eo ambony lohako
10:00 ora : tsy dia hitako loatra hoe amin’ny fomba ahoana no mbola hahavotra anay amin’izao … anefa mbola manam-pinoana ihany aho. Mampihoro-koditra ny feo re avy any ivelany
17:00 ora : taorian’ny fandalovan’ny rambon’ny rivomahery, izay vao sahy nanandrana nivoaka voalohany ivelan’ny trano izahay, tsy mifankalavitra amin’izay sary faharavana fanaon’i Steven Spielberg [mpanao sarimihetsika] ny manodidina. Niongana daholo, afatsy ny rindrina ihany … simba avokoa ny zava-boahary.
Alatsinainy 18 Febroary 2008
09:00 ora : nitsahatra ny orana, izay nanaomboka ho efa 48 ora mahery izao sady niteraka tondra-drano eto amin’ny nosy Boraha.
Manomboka androany ny fanarenana ny simba amin’ny hotely *Princesse Bora Lodge izay hikatona hatramin’ny 31 Martsa 2008.
Araka ny tatitra navoaky ny fikambanana Medair, dia ny 50% ny tahan’ireo mponina eto amin’ny nosy Boraha no tsy manan-kialofana.
Afaka 5 volana vao hiverina an-tsakany sy an-davany ny herin’aratra any an-toerana satria tsy nisy poteaux iray izay mijoro intsony eran’ny nosy.
Simba ny zava-boahary noho ireo ravina rotidrotika, ireo ratsan-kazo maro tapaka ary hazo nidaraboka nohon’ny herin’ny rivotra.
Naratra ny tanan’i lebu taorian’ny fandalaovan’io rivomahery io, naka rivotra 4 andro tany Nosy-Be izy taorian’io ary efa niverina indray hanampy amin’ny fanarenana.
*Hotel Princesse Bora Lodge any amin’ny Coco Bay: bungalows na villas 20 : villas conforts 9, villas luxe 6, villas suite 5 izay misokatra amin’ny ranomasina.
« Nosy Boraha » nidramina tamin’i lebu
[Araho mivantana ao amin’ny saritanin’i Madagasikara ireo fivoatr’ireo vaovao voaray farany - maps.google.com >>]

Miarahaba anreo tsy maty fo amanaina e!
mahereza hatrany!
Misy namana izay solotenan’ny “departement missionaire” Soisy niasa tao @ ile aux Nattes( Vince L.).
Sao dia manana vaovao avy amin yhianareo
Isaorana mialoha.
@ news2dago >tsy dia hitako loatra hoe amin’ny fomba ahoana no mbola hahavotra anay amin’izao …
ohatry ny mafimafy ihany raha ny sary sy ny fitantarany, ka arahabaina tokoa fa tsy nisy aina nafoy tany amin-dry zareo.
@ tokyr efa niverina taty Soisa tamin’ny taona lasa i Vencent satria tapitra ny andraikitra nosahaniny tany amin’ny ile aux Nattes.
misy rivondoza indray oe! vaovao azoko t@ malagasymiray nosoratan’i avylavitra
JOKWE no anarany!
asa izay ho afitsony!
enga anie ka tsy hamoadoza izy ity
Misaotra amin’ny fampitam-baovao … dia antenaina tokoa tsy hitondra takaitra toy ireo efa nandalo izy ity
[...] Lebu | Ny rivomahery Ivan tantarain’izay nisedra azy tao amin’ny nosy Boraha /Lebu [...]