Gregoire Maret | Marcus Miller Band

Gregoire Maret, Keith Anderson, Marcus Miller [avy havia miankavanana] sary nindramina tany amin’ny jecritiquetout.canalblog.com >>

Efa nambarako tetsy sy teroa ihany ny momba an’i Gregoire Maret, mpitendry farara [harmonica] manan-talenta sy namana avy eto Genève izay niampita ranomasina tany Zamerika ary nalain’i Marcus Miller ho mpiara-dia maharitra aminy.

Ary satria vao avy nandrombaka loka maro i Amy Winehouse tamin’ny Grammy Awards dia indro « Rehab » nohavaozin’i Marcus Miller sy ireo mpiray dia aminy ho anareo [Marcus Miller, sx, b; Keith Anderson, sx; Roy Hargrove, tp; Candy Dulfer, sx; Gregoire Maret, h; Patches Stewart, tp; sns].

« Rehab », North Sea Jazz Festival 2007, Rotterdam

Maro tsy tambo isaina ireo fiaraha-miasa sy raki-kira nandraisany anjara : Marcus Miller, Cassandra Wilson, George Benson, Pat Metheny Group, Bernard Lavilliers, Jimmy Scott, Lionel Loueke, sns … Jereo ny rohy discography amin’ny vohikalany hoan’izay te hahalala bebe kokoa.

[Gregoire Maret - gregoiremaret.com >>]

[Gregoire Maret amin'ny Myspace >>]

Gregoire Maret sy Toots Thielemans, ireo no mpitendry farara mbola velona, isan’ny manan-talenta indrindra ankehitriny [tsy adino i Stevie Wonder]

3 Responses to “Gregoire Maret | Marcus Miller Band”

  1. iza no mba malagasy malaza @ io fitsofana farara ry tomavana!

  2. Ireo mpanao hira madinika mampiaraka ny farara amin’ny gitara na kabôsy no mbola tena betsaka fahita any amintsika : Dama, Tselonina, Marius Fenoamby ary indrindra i Jean Emilien izay nandrombaka ny medaily volamena tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena farara tamin’ny taona 1991 tany Detroit, USA … angamba misy ihany matihanina amin’io fitsofana farara io fa tsy fantatro.

  3. [...] Rehefa nody maina tsy nahazo tapakilan’ny andiany faha-33 ny Paléo Festival Nyon aho dia nihevitra fa hiala vokona amin’ny andiany faha-42 ny Montreux Jazz Festival izay nivoaka omaly ny fandaharana. Nisy siosio nandeha mantsy fa hiverina hilalao any ny namana manantalenta Gregoire Maret, hanontrona ny tarika Marcus Miller. [...]

Leave a Reply