08|02|21 – Miasy Raoloson | Zam Zam [Genève]
By: tomavana
tags: madagascar, madagasikara, malagasy, malgache, miasy raoloson, zam zam
Category: fampisehoana
« N’aiza n’aiza aleha, misongadina hatrany rehefa manan-talenta » io teny io no tonga tao an-tsaiko raha tafaresaka fohifohy tamin’ny mpanakanto mpitendry gitara basy jazz mpiray tanindrazana Miasy Raoloson izahay nandritra ny fampisehoana Jazz omaly alina
Tao no nahalalako fa ankilan’ireo tarika Mawenzi izay andraisany anjara [hamoaka rakikira atsy ho atsy] sy ny tarika nN PROJECT [no Name Project] izay noforininy tamin’ny faran’ny taona 2004 dia vao tamin’ity voaloamboalohan’ity taona 2008 izy no natonin’ny tarika Zam Zam eto Genève mba hiara-miasa aminy. Ny tarika Zam Zam dia efa fantatr’ireo izay mpanaraka ny sehatra mozika eto Genève [niforona 2001 | rakikira voalohany 2002 | rakikira vao nivoaka « les 1000 visages » | hahalala an'i Zam Zam bebe kokoa ? Henoy ny interview nataon'ny fandaharana Azimuth ao amin'ny radio cité >>].
Hanao fampisehoana ny tarika Zam Zam ny Alakamisy 21 Febroary Janoary 2008, manomboka amin’ny 20:00 ora alina any amin’ny Maison de Quatier de Saint-Jean [MQSJ - chemin François-Furet 8, Genève | Bus 7 arrêt Contrat-Social | misokatra dieny 19:30 ora ny varavarana]. Ny hira madinika amin’ny teny Frantsay [variété française] no sehatra izay amelaran’ny Zam Zam ny talentany.
Tsy misy vidim-pidirana.
[Zam Zam - zamzam.ch >>]
[Zam Zam @ myspace - myspace.com/zamzamlegroupe >>]
[MQSJ - mqsj.ch >>]

Salama
Amin’ny 21 febroary ilay fampisehoana fa tsy 21 janoary
Misaotra
Hi hi ! Maimaika be sady tsy ampy tory … mamerina ny fisaorana tamin’ilay fampisehoana
Izy efa hatrany Dago no nilay katramin’izao, jereo ny Madajazzcar tamin’izany andro …
Faly mandray anao eto Alain Rakotoarson
Inona no vaovaonareo avy any Tahiti any e ?
Miarahaba !
Ny aty mamay be, fa efa somary reraky ny mipetraka aty fa te-hiova indray e ! Mila “revy Galasam” hoy ny tanora … Nanahoana aloha ny fampisehoana ?
Andao ary hifanakalo fa ny aty izao zara mihoatry ny 5°C ny mari-pana. Ankoatr’izay nafana ny fampisehoan-dry zareo … izaho tsy afaka fa i Miasy no tafahaona tamiko.