
07|12|24 – Hira Malagasy amin’ny Krismasy sasak’alina [Genève, CH]
Par : tomavana
Tags:antokom-pihira, christmas, fiangonana, fivavahana, hira, jehovah, madagascar, madagasikara, malagasy, malgache, noel, noely, valiha, valihan'i jehovah, vavaka
Catégorie: fivavahana, Valihan’i Jehovah
Toy ny taona roa lasa teo aloha, dia hotanterahina amin’ny teny frantsay ravahina hira Malagasy ny fotoam-pivavahana Krismasy Sasak’alina ao amin’ny fiangonana protestanta Servette [Genève], ny Alatsinainy 24 Desambra 2007 :
- amin’ny 7 ora hariva, sakafom-pifaliana, ao amin’ny centre paroissial de la Servette, Genève [irina ho azo alohan’ny Alakamisy 20 Desambra 2007 ireo famandrihana toerana amin’ny sakafo | filankevitra +41 79 776 09 66],
- amin’ny 22:50 ora alina, fotoam-pivavahana sasak’alina andraisan’ny antokom-pihira Malagasy Valihan’i Jehovah anjara, ao amin’ny fiangonana protestanta Servette [Servette-Vieusseux, avenue Wendt 55, Genève, CH],
- toy ny fomba mahazatra dia mifarana amin’ny fizarana “vin chaud” ny fotoana.

Mahafinaritra be re ity blaoginao ity fa dia mazotoa hatrany e!!
Ankoatran’izay dia miarahaba tratry ny taona e!!
Faly mandray anao eto indray ry Tokinao
Sady miarahaba sy mirary soa sy fanambinana hoan’ny taona vaovao 2008 no misaotra amin’ny teny mamy sy fankaherezana. Dia manantena ny hamaky lahatsoratra ao amin’ny blaoginao tsy ho ela koa … fa mpandalondalo ao koa aho.