
07|12|05 – Régis Gizavo otronina Kintana Malagasy efatra hafa | Malagasy All Stars [Delémont]
By: tomavana
Tags:all star, chant, chant traditionnel, dama, erick manana, fenoamby, justin vali, madagascar, madagasikara, malagasy, malgache, musique, Musique du Monde, regis gizavo, WORLD MUSIQUE
Catégorie: fampisehoana
© Christoph Giese « i Erick Manana sy i Régis Gizavo », Malagasy All Stars – gelsenkirchen.de >>
Azo ambara fa i Régis Gizavo no mpanakanto Malagasy izay fatra katsahin’ireo Festival mivoy ny « World Music » indrindra ankehitriny. Tsy mitsahatra ny mitety izao tontolo izao ny lehilahy anivona tarika manohana mpanakanto hafa na samirery mampahafantatra ny vakoka Malagasy. Isan’ny mampiavaka an’i Régis Gizavo sy ankafizan’ny vazaha azy ny fahafehezany ny nentim-paharazana indrindra ny mozika « renitra » avy any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara sy fanavaozany izany ho toy ny mozika ankehitriny.
Toy ny nataon’i Ry Cooder tamin’ireo mpanakanto Kobana fahiny fony izy nanatanteraka ny raki-kira CD « Buena Vista Social Club » [1997] izay narahin’ny sarimihetsika mitovy anarana izay notontosain’i Wim Wenders [1999] sy ny andian-drindrakira « Afro-Cuban All Stars », dia ampahafatarin’i Régis Gizavo an’izao tontolo izao koa ireo haren’ny vakoka Malagasy amin’ny alalan’ny fampisehoana « Malagasy All Stars » izay iarahany amin’ny sangantsangany amin’ny mpanakanto Malagasy dia i Dama, i Fenoamby, i Erick Manana ary i Justin Vali, amin’ny Alarobia 5 Desambra 2007, amin’ny 20:30 ora alina any amin’ny « Centre culturel régional Delémont » [rue de Fer 13, Delémont | filankevitra sy famandrihan-toerana +41 32 422 50 22].
[Centre culturel régional Delémont - ccrd.ch >>]

Ah! Ca ça m’intéresse!
Bon c’est un mercredi soir, s’il ne neige pas ou ne gèle pas trop, y aurait moyen… Merci pour l’info!
+205 km Aïe ! Sur ce coup-là, on va devoir remettre à plus tard notre rencontre … Quoi qu’il en soit n’oublie-pas de monter tes pneus neiges