Ny mpiasan’ny Ingedata sy ireo tokantena mitady sipa amin’ny Aterineto
By: tomavana
tags: ingedata, madagascar, madagasikara, malagasy, malgache, sipa, stephane guillemin, unerencontre
Category: tsetsatsetsa
Tamin’ny Alahady 11 Novambra 2007 alina lasa teo dia nandefa fanadihadiana mikasika izay fomba ampiasain’ireo vohikala mba hanaitairana ireto tokantena na selibatera « hividy » fanalavana ny maha-mpikambana azy ao amin’ireny vohikala andoavam-bola « ambohimpihaonan’ny tokantena » ireny, ny fandaharana « Capital » tao amin’ny fahitalavitra Frantsay M6, ka orinasa any Madagasikara izay tsy nambara ny anarany ny iray tamin’ireo.
Raha fintinìna sy tsorìna dia toy izao no fehin’ilay fanadihadiana « manararaotra ireo tokantena izay mipetraka any amin’ny toerana vitsy mponina sy mitady sipa amin’ny Aterineto ny vohikala sasany, ka manakarama tovovavy [2.- € isan'ora] any an-kodahoda any [vakio hoe Madagasikara] mba handainga sy hisoloky hilaza ny tenany ho apela vazaha [blaondy tso-bolo sns...] monina tsy lavitra sy mifanolo-bodi-rindrina ary mpitovo ka mety ho vonona/azo ifaneraserana raha mifankahalala bebe kokoa … izany hoe mila mijanona mpikambana elaela kokoa ao amin’ilay vohikala izany ilay tokantena [ny mpanoratra anefa amin'io Malagasy karamaina mba hanoratra izany sady any amin'ny 12'000 km no mipetraka ary tsy mihevitra izay hanambady azy akory] ».
Ny olana dia raràn’ny lalàna Frantsay ny fisolokiana sy famitahana karakarain’ny orinasa toy izany anefa ilay vohikala ihaonan’ireo « tia sy ny manina » dia mipetraka any Frantsa. Izany hoe, raha fomba fahita mahazatra eto amin’ny sehatra Aterineto ihany ny somary « mamboaboatra » izay mombamomba azy ity orinasa ity dia ny volan’ireo tokantena jamban’izay faniriana hahita sipa no tetehiny … izy anefa tsy manana sipa manodidina atolotra azy akory.
Roa andro taty aoriana, ny blaogy Datingwatch.org dia namoaka ampahibemaso ny anaran’ity orinasa Malagasy ity sy ny anaran’ilay vohikala « ambohipihaonan’olo-tokantena » Frantsay izay mpampiasa azy. Namaly sy nanohitra izay fomba nanatanterahana ny fanadihadian’ny fahitalavitra M6 sy ny fehin-kevitry Datingwatch i Stéphane Guillemin, izay mpamorona sy talen’ny orinasa Ingedata.net any Antananarivo ary manambana ny hampakatra any amin’ny fitsarana raha tsy mitsahatra avy hatrany ireo « lainga » fanaratsiana ny orinasany eto amin’ny Aterineto.
Heveriko fa tsy hijanona eto raha ny fandehan’ity raharaha ity, fa ny ahy ny alehan’ny saiko dia any amin’ireo mpiray tanindrazana. Midika ve izany fa ho tsian’asa ireo tovovavy sy renim-pianakaviana any an-tanindrazana izay mampiaritory ireto tokantena tandrefana mihevitra fa mifanolo-bodi-rindrina aminy izato mpiresaka mivantana aminy ? Tsy henjana toy ny any Frantsa avokoa ny lalàna izay mifehy ny Aterineto ary ny tokantena manan-katao mbola marobe eran-tany ka dia inoako fa hahita orinasa hafa ho fahanana ity orinasa any Madagasikara ity.
Inoako koa fa vitsy ireo mpiasan’ny Ingedata izay sahy manambara ampahibemaso izay « tena » asa ataony any am-piasana any fa dia vitan’ny hoe miasa birao amin’ny solosaina fotsiny na koa sekretera. Anefa raha ny momba ahy manokana sy ny fahalalako ny toekarena Malagasy dia sarotra amiko ny hanameloka ireo mpiasa izay « mampirevy tokantena » amin’ny Aterineto ireo, fa mba ahoana kosa ny hevitrareo ?
[« X paye des faux membres pour vous séduire » - datingwatch.org >>]
FANAMPIM-BAOVAO : araky ny efa nahiako, rehefa avy nifamaly sy nifampitahotra teto amin’ny Aterineto dia mitohy any amin’ny fitsarana ny raharaha
« Avy atsy andaniny aloha : « tohin’ny fampitahorana teo amin’ny blaogy dia nisy antso an-tariby fandrahonana fanapaha-tanàna “Je vais te casser les bras, tu ne sais pas qui je suis, 32 rue Pérignon, j’ai ton adresse, je sais où te trouve !” tonga tany an-tranon’ireo mpivoy ny tranokala datingwatch.org izay heverina fa nataon’i Stéphane Guillemin, talen’i ingedata.net monina any Madagasikara, nametraka fitarainana ry zareo »
[Lettre à M. Stéphane Guillemin, Ingedata - datingwatch.org - 21.12.07 >>]
« Avy atsy ankilany kosa : « ny vohikala unerencontre.com izay anarana nontondroina molotra nandritra ny fanadihadiana notaterina etsy ambony, amin’ny anaran’ny Netprod Corporation, dia nametraka fitoriana tany amin’ny fitsarana noho ny fanalam-baraka azy [diffamation + 80'000 euros pour préjudices moraux et commerciaux] ny datingwatch.org. Ho tanterahina amin’ny Alarobia 19 Desambra 2007 amin’ny 13:30 ao amin’ny “17ème Chambre (Chambre de la presse) du Tribunal de Grande Instance de Paris” ny fitsarana. »
[DatingWatch poursuivi par Unerencontre.com - datingwatch.org - 11.12.07 >>]
FANAMPIM-BAOVAO 2 : Vita ny fitsarana izay nahafahan’ny roa tonta nandahatra izay fomba fijeriny, ka toy izao ny fohy azo ambara :
« Amin’ny Alarobia 6 Febroary 2008 vao ho fantatra izay didim-pitsarana anefa mandra-piandry dia tsy voatery manala ireo lahantsoratra fototry ny fitoriana ny vohikala datingwatch.org. »
[La puce contre l’éléphant. L’Audience. - datingwatch.org - 19.12.07 >>]
FANAMPIM-BAOVAO 3 : Resy tamin’ny ady madio ny datingwatch.org no valim-pitsarana :
« Didian’ny fitsarana hotsoahina ireo lahatsoratra nifandirana, mandoa sazy mitentina 1.- € sady manonitra ny 2′500.- € saran’ny mpisolovavan’ny mpitory ireo mpivoy an’ny datingwatch.org [...] Nolavin’ny fitsarana ho tsy ara-dalàna ireo porofo naroson’ny datingwatch.org satria tsy nohamarinin’ny “huissier” mialoha. »
[datingwatch.org condamné mais épargné par les juges - datingwatch.org - 13.02.08 >>]

Sady mampihomehy no mampalahelo
Samy mitady vola anie io e, ny tena voa izany izao dia ilay selibatera kanefa moa akory atao azy!
matetika koa anie izy ireny dia ilay ratsy tarehy be , sy efa antitra be dia indray² izy mitady revy fotsiny fa tsy dia tena hoe ho aiza akory e!
Zay tsinona ny mahatsara ny aterineto koa, tsy mifankahita tava; izaho mino fa maro @ ireo selibatera ireo no tsy dia mivaky loha loatra na iza ny ao ambadika ao na iza.
Ireo ML lahy sy vavy ampiasaina any Dago indray dia arahaba soa a,
oay tsy vita akory le teo dia lasa…
dia hoy aho hoe arahaba soa arahaba tsara satria 2eur/heureanie mba betsaka ihany e, indrindra moa raha tena miasa tsara ry zareo!
Fa ahoana ny fandehany? izy io moa izany karazana telephone rose ihany!
Manana toeram-piasana ve ilay unerencontre.com sa ny tsirairay no manana solosaina any an-tranony dia afaka mi-se connecte eo araka izay tiany, ary tena payé ve ireo olona any ireo sa voasoloky koa!
Angamba zao any Dago mety misy olona tsy matory mihitsy an! hihihi
> izy io moa izany karazana telephone rose ihany!
An ! An ! teny “club de rencontre” fitadiavam-bady ilay izy kah. Izany hoe samy selibatera mitady sipa ho vadiana no mambra ao.
> Manana toeram-piasana ve ilay unerencontre.com sa ny tsirairay no manana solosaina any an-tranony dia afaka mi-se connecte eo araka izay tiany
Raha ny fahazahoako azy dia samy mampiasa solosaina any an-tranony any avy.
> Angamba zao any Dago mety misy olona tsy matory mihitsy an!
Tena misy miasa alina mihintsy izany, marina fa “feno fitaka ny tany” na dia izany aza dia mety tsy haharitra ihany ity orinasa ity raha mandika lalàna … na dia any amin’ny firenen-kafa aza.
kay gasy izany ilay sipa niresahako iny kletia e. Tsya aleo ve nankany am-piangonana dia vita revy !
amin’ny manaraka tonga dia ho tampohako amin’ny teny gasy hoe : sao dia hihinana voanjobory itena ?!
hihihi les filles de mon pays ne sont pas mal non plus nge e!
Sady misy mihintsy anie ireo « agences matrimoniales vazaha » izay mikarakara fitadiavam-bady Gasy e ! Satria lazaina fa « malefaka » ny vehivavy gasy [tsy manana hazon-damosina ?
] Asa raha tsaronareo ilay adian-tsary « et plus si affinités… » nalefan’ny fahitalavitra Arte tamin’ny taona 2002 iny sy ny tohin’ireo tantaram-
pitiavana-panambadiana tamin’ny 2004 ?oay, tena tsarovana mandrapahafaty iny ry Tomavana,
Tena tadidiko mihitsy miandry an’ilay izy toy ireny
Desperate housewives ireny(izaho manokana aloha fa tsy haiko ny sasany)
Asa raha mba nalefa tany amintsika izy iny fa tena tokony alefa any iny ahitan’ny maro ny tena fandehany. Tao aorianan’iny dia mbola nisy vitsivitsy ihany koa (mialan-tsiny fa tsy tadidiko ny lohanteniny)
> Asa raha mba nalefa tany amintsika izy iny
Henoko fa toa nalefa tany saingy tsy fantatro hoe fahitalavitra inona no nandefa azy ? Fa ilay vehivavy tafaresaka tamiko dia nanazava ny fiheveran’ny sasany fa ho « tsara chance » kokoa satria samy manana ny vintany ny olona fa tsy voatery mitotona any amin’ny lehilahy toy ireny daholo izay mandalo « agences matrimoniales vazaha ».
[...] eo koa no toerana « ambohipihaonan’ny mpitovo » ka dia mifampisarisary zoro eny ary satria fohy ny fotoana dia tohizana amin’ny herinandro [...]
[...] izay ihany? Nitantara lavalava tao amin’ny bolongany i Tomavana fa misy mihitsy ny vehivavy Malagasy mikarama hampiresaka lehilahy any Eoropa fotsiny. Fitaka eo [...]
FANAMPIM-BAOVAO : mifampitaritarika any amin’ny fitsarana ny tohin’ny fanadihadiana.
FANAMPIM-BAOVAO 2 : eo am-piandrasana ny didim-pitsarana …
FANAMPIM-BAOVAO 3 : Nolavin’ny fitsarana ireo porofo naroson’ny datingwatch.org ka dia resy ara-pitsarana ry zareo.
Dia mampalahelo fa be tokoa no vafitaka amin’io e! Ao Antsahavola ao izao no fantatro fa misy iray amin’ireny orinasa ireny. Nisy fotoana mantsy isan’ny nandeha nitady kandra tany ny tao amin’ny tanàna fa hoe sekretera no anarana entina, kay zavatra hafa ilay izy. Saiky loza
Izaho aloha tsy manome tsiny ireo izay miasa amin’izy ireny e, satria ny fitadiavana hono … mahazaka maniraka
izaho mihevitra hoe mila mandinika vao miteny sy mitsara eritrereto hoe ny abetsahany tsy manakasa eto dago ary efa maro be mba midina eny andalambe ahitanao ny amaroan’i olona manao “informel” mba ahafahana mihinana sy mamelontena jereo ny fijalian’ireo miasa an’ny @ zone franche ny fijalian’ireny @ ireo asa omen’ireo vahiny azy ireo kanefa ny karama kely dia kely ny tena tsy matory .Angamba ilay olona niteny ireny zavatra ireny ololna fils a papa tsy mahalala an’izany hoe tena fijalian’i fianana izany ka ny mba gagne pain a’ireo ankizy ireo indray no simbaina raha manome asa ireo ankizy ireo moa izy ka manina fa tsy mba critique constructive akory ny mangalatra sy ny mivarotena ary efa mampalahelo .Marina iany anefa ny oe ts dia mety loatra ny mandainga @ olona fa ezahana fotsiny io mba tsy ampisy olana @ ireo vahiny
Tonga soa eto ianao Bozy
Misaotra amin’ny fanampim-panazavana atolotrao … fa tsy mahomby tokoa ny mitsara ivelany ihany. Arak’izay efa nambarako tetsy ambony … “ny fitadiavana mahazaka maniraka !”
nareo moa mihevitra fa reny vazaha misoratra amin’ny site de rencontre reny de celibataire daholo? naif lotra nareo raha mihevitra izany, ary ny internet no ivompihaonan’ny rainilainga mianakavy ra tsy fantatrareo. ny tena ataon’ireny vaza reny amin’ireny site reny de mitady hanala ny mampangidihidy azy fotsiny sy ireo déprimé amin’ny fiainantokatranony any fa tsy vonona ny anambady akory izy avahako manokana eto ny lehilahy ary ny 70% amin’ireny dia lehilahy efa manambady avokoa fa mody mampiresaka fotsiny dia avy eo mitady firaisana par internet fa atsafao ane oe tongava aty na za ho any e, tsy asiany tohiny intsony ny resakao, izaho aloha dia efa manambady ary afaka mitchat foana ka mba manatsafa reny olona ireny, indraindray aza aho dia mi-inscrire amin’ireny site reny fa mody ataoko hoe celibataire na divorcé dia rehefa tena miresaka ianao dia any aoriana any izy vao miteny hoe manambady aho, ka tsy hitako izay ifanomezantsiny amin’izany tafaray samy pandainga ko, ny olona kosa zany andany andro amalifaly sy iresaka aminy eo, ary mba zay ny fivelomana aty ko in no tsy mahafaly anareo, le M. stephane io aza mavita manome asa sy mba fiveloman’ny gasy kely fa inona no mba vitanareo maivava reo ho an’ny gasy mitovy aminareo? manala baraka fotsiny ny gasy mitovy amin’ny teny nefa any antanin’olona any no miasa, raha nanakambo manina tsy nijanona teto nahita zany hoe fiainana eto zany.manaratsy an’io vaza io ery nefa mbola any amin’ny taniny no mitrongy vao homana koa.j’espère que vous etes content car en ce moment il est entrain de liquider sa societe à mada et l’a transferé à maurice.dia inona ndray ary no holazain’ny manampahaizana isany miseho mahay lalana sy tia an’i lafrantsa e.manina moa ra mijanona any atramin’ny fatinareo fa tsy aterina aty aminay aty intsony fa maimbo fotopisainana frantsay.
Tongasoa Kalasoa.
Amin’ny lafiny iray dia misy marina ny ambaranao satria mampalahelo tokoa ny fahaverezan’ny loharanom-piveloman’ny mpiray tanindrazana amin’ny tena. Amin’ny lafiny hafa kosa anefa dia heveriko fa tsy izay mety ho tsikeran’ireo mpamaky eto amin’ny blaogy izay hany mitatitra fandaharana mandeha amin’ny fahitalavitra no anton’ny fikatonan’ny orinasa fa izay “mety” ho tsy fanarahan-dalàna izay ho nataon’ity orinasa ity … ka niteraka ny fialan’ireo mpanjifa taminy.
Naha tsikaritra aho oe tena teny gasy be daholo ny ato … dia lasa ny eritreritro hoe, amin zay ve tsy hai ireo vahiny mamaky ? hahahha
“Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko” tsy nihevitra io lafiny iray io aho fa mba hanampy tosika ny teny Malagasy anivon’ny Nety fotsiny tany am-piandohana
aleo tsoriko fa raha miampy teny vahiny ireo lahatsoratra taty aoriana dia tsy mahasoratra lava intsony ka dia sary indray no entina manambara na koa rohy mivantana amin’ny alalan’ny friendfeed.com/tomavana >>
Tongasoa tsetsatsa misaotra amin’ny hafatra