
Andro Fararano aty Genève
Par : tomavana
Tags:arbre, arbres, automne, feuilles mortes, foto, gazon, genève, geneva, Grand-Saconnex, Jardin, Jardins, malagasy, malgache, panorama, parc, parcs, photo, photographie, photographies, photography, photos, toetr'andro
Catégorie: sary, tsetsatsetsa
Sary nalaina teo an-tokotanin’ny Villa Sarasin, akaikin’ny Palexpo, Grand-Saconnex, Genève [Asabotsy 10.11.2007 - 11:30].
Alohan’ny hilatsahany amin’ny tany hiala-sasatra, dia ireo ravin-kazo izay misalotra ny fanamianany marevaka hany sisa miezaka manome aina sy taratra faramparany ireto voahary izay tsy afa-nikopak’elatra hamonjy tany mafam-pana kokoa, izay efa resin-tory ny ankamaroany.
Manjombonjombon-dava, malomalok’endrika sy malaky alina ny andro aty Soisa ankehitriny. Mbola Fararano ny andro, fa tsy Ririnina akory, na dia zara raha mahatratra 10°C aza ny mari-katsiaka-pana sy efa manomboka mivelatra eny amin’ny tranom-barotra vaventy sahady ireo haingo Noely.
Nanopy ny masoko hijery ireo vohitra manodidina aho dia indro fa efa fotsy avokoa ny sangan’izy ireny. Ambaran’ny filazam-baovao tokoa mantsy fa amin’ny Alakamisy 15 Novambra 2007 ho avy izao dia hilatsaka hatraty amin’ny lemaka sahady ny oram-panala fa tsy ho toy ny tamin’ny ririnin-dasa >> [23.01.2007].
© tomavana

Beau cliché.

Cette année, je suis passée d’un été absent à l’hiver avec une parenthèse en début de saison des pluies.
Résultat: rhume et mal à la gorge, et pas de photos d’autumne! A part ça, tout va bien.
La fatigue du voyage doit y être aussi pour quelque chose non ?
je ne savait pas qu’il avait de tels paysages là-bas « Sarin-javaboahary amin’ny andro fararano » | GVO – Malagasy – 12.11.2007 >>
Allez, « aza manam-be ! » et pour prolonger l’automne quelques liens qui ont suggéré la mise en ligne de ce cliché : « Montreal en automne » | Lillia – 25.10.2007 >> et celui découvert avec surprise hier en Iran
Tsara ery izy izany ry Tomavana!
Tattum> manaova sakamalao sy tantely ary dibera e! dia amin’izay mafampana
Misaotra r’Ikalakely ! Ny tena marina dia tsara jerena ivelany fa mbola tsy mahazatra ny hatsiaka ankehitriny ka raha ny sitrapoko dia aleoko lavitra mibonoka ao an-trano … amorom-patana mirehitra ohatra mamaky boky arahina mozika malefaka
[revin-gadra]
tsara be ny sarinao. Mahatsiaro iny lalana makany Toamasina iny aho fa misy hazo mandatsaka raviny koa amin’iny.
Azoko an-tsaina ery !
Misaotra fa mankasitraka ny fitsidihana omban-kafatra hatrany.
Ikalakely> hevitra tsara marina,misaotra! sady izaho tsy tia fanafody izany..
@ Tattum sy Ikalakely fisaorana no atolotro anareo roa noho ny dinidinitsika teto izay niteraka hevitra tao amiko hanoratra momba ny fitsaboana netim-paharazana