
07|10|14 – Resaka ifanakalozana : tandrovy fa marefo [Sévelin, Lausanne]
Par : tomavana
Tags:malagasy, madagasikara, malgache, madagascar, antokom-pihira, vako-drazana, hira, dihy, stl, dm, terre nouvelle, eper
Catégorie: fivavahana, fanohanana
Ity herinandro ity koa no anokafan’ny antokom-pihira Malagasy Sampana Tanora Lausanne ny diariny amin’ny fandraisana anjara amin’ny hetsika sy fotoam-pivavahana izay karakarain’ny « Terre Nouvelle », ny Alahady 14 Oktobra 2007, manomboka amin’ny 08:45 ora maraina ao amin’ny fiangonana protestanta Sévelin [avenue de Tivoli 74, Lausanne]:
– amin’ny 08:45 ora maraina, sakafo- maraina sy fotoana ifanakalozana ho fanohanana trano fitaizana zaza kamboty any Antananarivo [fandraisana anjara 6.- CHF],
- amin’ny 10:00 ora maraina, fanompoam-pivavahana andraisan’ny antokom-pihira Malagasy Sampana Tanora Lausanne anjara,
- 11:10 ora atoandro, fiaraha-miala hetaheta sy resaka ifanakalozana ary varotra madinika natokana hamoriam-bola hoan’ny tetikasa 2007.
Ny fandrisihana ho amin’ny fanamafisana sy fandalàna ny resaka ifanakalozana no nofidin’ny DM-échange et mission sy ny EPER [oeuvre d’entraide des Eglises protestantes suisses] ho tanjon’ny tetik’asany mandritra ny taona 2007: « resaka ifanakalozana : tandrovy fa marefo » [Dialogue: attention fragile pdf >>]. Raha i Madagasikara no tena notohanana tamin’ny taon-dasa, ny faritr’i Libanona, sy Israely ary Palestina kosa amin’ity taona 2007 ity.

