
07|09|22 – Hira sy dihy Malagasy tany amin’ny « Fête au Motty » [Ecublens, Lausanne, CH]
Par : tomavana
Tags:antokom-pihira, dihy, fete du motty, hira, jehovah, madagascar, madagasikara, malagasy, malgache, stl, vako-drazana, valiha, valihan'i jehovah
Catégorie: fampisehoana, Valihan’i Jehovah
© eerv-ecublens-st-sulpice.ch, Sampana Tanora Lausanne, vako-drazana 22.09.2007.
Mialatsiny fa tsy tafita mialoha ny hafatra satria tsy teto an-toerana aho. Na dia efa tapitra aza anefa ny lanonana dia indreto ampitaiko anareo ny sarin’ny fandraisan’anjaran’ireo antokom-pihira Malagasy Valihan’i Jehovah sy ny STL [Sampana Tanora Lausanne] tamin’ny fety ankalamanjana « Fête au Motty » izay notanterahin’ny Fiangonana EERV Ecublens- St-sulpice [Eglise Evangelique Reformée du canton de Vaud] faritra « La Chamberonne » tany amin’ny Place du Motty, Ecublens ny Asabotsy 22 Septambra 2007.
Raha somary nangingina ny diarin’ireo antokom-pihira ireo teo ho eo dia hiverina araky ny mahazatra indray izany satria tapitra hatreo koa izay ny fialan-tsasatra
[Valihan'i Jehovah - fkmsm.ch/Sampana/ValihaJ >>]
[Sampana Tanora Lausanne - stl.fkmsm.ch >>]

© eerv-ecublens-st-sulpice.ch, Valihan’i Jehovah, mihira 22.09.2007.
