Nodimandry i Rolland Seth Rasolondraibe
Par : tomavana
Tags:antokom-pihira, madagascar, madagasikara, madagaskar, malagasy, malgache, maty, rasolondraibe
Tapa-peo aho andro vitsivitsy lasa izay, fa nitodi-doha aty an-tanindrazana vetivety, ka ny fihaonana amin’ny fiainana « tena izy » [real life] no makotroka, ny fifandraisana rohy Internet miadana rahateo.
Saika hampandre ireo tapaka sy namana amim-pahatsorana aho fa nodimandry tamin’ny Asabotsy 8 Septambra 2007, lasa teo tamin’ny 01 ora maraina, ingahy Rolland Seth Rasolondraibe mpamoron-kira sy mpanakanto, araky ny efa nampitain’i Diamondra antsika teto ihany.
Mirary fiononana feno eo ambany fitahian’andriamanitra hoan’ny fianakaviana navelan’Itompokolahy ary rehefa malalaka aho mametraka lahantsoratra lavalava.
Misaotra mialoha ireo hametraka hafatra no sady mangataka faharetana kely fa mamaly arak’izay fotoana ahitako « cyber » ihany aho
hitodi-doha hianatsimo mantsy aho ka ny « backbone » dia mbola tetik’asa hatramin’izao.

Misaotra anao tomavana nahatsiaro ity Ray niombonan’ny rehetra ity. Nahavita ny asany izy ka mino aho fa ny taranany no hitahiry izany talenta izany.
Mirary fiononana ho an’ny fianakaviana fa very mpanakanto ny Malagasy, indrindra ny Fiangonana rehetra niasany.
araka ny nambarako tetsy ambony dia mbola hanoratra misimisy momba an-dRatompokolahy aho atsy aoriana kely.
Veloma ry mirakotra manga volon-danitra! very olo-manga tokoa ny tontolon’ny mpanakanto Malagasy.
Mamy ny teninao ry Voromandalo ka isaorana fa mitondra fampiononana ny mandre fa tsy ny fianakaviana akaiky ihany no banga @ fahalasanany.
Misaotra koa amin’ny fitsidihana fa tsy nandalo fotsiny. Mankasitraka Tompoko
[...] Diako hianatsimo ary, dia nanararaotra niditra « Cyber » izay mampiasa tambanjotra fifandraisana ADSL-256 aho tao Antsirabe. Azo lazaina fa tsara ny fifandraisana saingy satria marobe izahay no indray nirohotra tao, tsy Malagasy tsy vahiny, tsy mpitsidika, dia niadana ihany ny zava-drehetra. Tao aho no nanoratra ity filazana manjo ity >>. [...]