
07|09|08 – Kermesy sy Tombola ravahina dihy vakodrazana [Genève, CH]
Par : tomavana
Tags:antokom-pihira, dihy, hira, jehovah, madagascar, madagasikara, malagasy, malgache, stl, tombola, vako-drazana, valiha, valihan'i jehovah
Catégorie: fampisehoana
Satria efa tapitra ny fakan-drivotra dia miverina tsikelikely indray ireo hetsika mahazatra ny Malagasy eto Soisa sy ny manodidina. Ny Asabotsy 8 Septambra 2007, manomboka amin’ny 2 ora tolak’andro dia hisy Kermesy [mozika malagasy sy lalao isan-karazany ary sakafo samihafa] any Genève [Salle paroissiale de Vernier, chemin de Sales 3, Vernier, CH].
Io lanonana io dia karakarain’ny Fiangonana Kristiana Malagasy eto Soisa sy ny Manodidina isan-taona, ho fanangonam-bola atokana hanohanana ireo tetik’asa maro izay ahazahoany fangatahana avy any an-tanindrazana ary hafanain’ny dihy sy vakodrazana izay hotanterahin’ny antokom-pihira roa Valihan’i Jehovah sy STL [Sampana Tanora Lausanne].

Misaotra an’i Tomavana nampita ny vaovao.
Manantena fa handresy amin’ny tournoi de belote na hiotondra ny loka voalohan’ny tombola: écran plat…
@ Asabotsy izany mifankahita e!
a+
Misaotra ny tsy manadino ry Myster.
Mialatsiny fa izao vao mamaly fa lasa aty an-tanindrazana aho ka tsy afa-manoratra firy.
Antenaiko fa nafana ny fety tao t@ Asabotsy
Na ny fety tao, raha nividy tapakilan’ny tombola ianao dia ireto ny loka azonao:
tirage du 08/09/2007
* 1er Prix, TV HD LCD 82cm: billet no 447
* 2nd Prix, Recepteur TV: billet no 138
* 3ème Prix, Bon de voyage(CFF): billet no 389
* 4ème Prix, Clé USB de 4Go: billet no 16
* 5ème Prix, Enregistreur: billet no 153
* 6ème Prix, Cuiseur à vapeur: billet no 132
* 7ème Prix, Mini hachoir: billet no 70
* 8ème Prix, Batteuse: billet no 139
* 9ème Prix, Frites et Fondue: billet no 40
* 10ème Prix, Bol + tablette: billet no 83
* 11ème Prix, Casques: billet no 181
Tena nahay ny nadresy tamin’ny tournoi-n’ny belote tamin’ity
Voa mafy izaho tsy afaka nanatrika, amin’ny herintaona indray e