07|06|23 - Fetiben’i Madagasikara [Genève, CH]

By: tomavana

juin 14 2007

Category: fampisehoana, fanohanana


Ny Asabotsy 23 Jona 2007, manomboka amin’ny 18:00 ora hariva dia hankalazaina eto Genève [salle Communale de Plainpalais, rue de Carouge 52, Genève, CH] ny « Fetiben’i Madagasikara » [Grande Fête de Madagascar] izay iarahan’ny mponina mipetraka eto Soisa sy ny manodidina [Frantsa] mankalaza ny fetim-pirenena Malagasy ahatsiarovana ny faha-47 taonan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara.

Manomboka amin’ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana [18:00] ny fotoana , izay arahina ny hiram-pirenena [18:30] sy ireo kabary isan-karazany izay andraisan’ny manampahefana Malagasy fitenenana. Avy eo dia hisy ny fitetezana sy fampahalalana [19:00] ireo fikambanana Malagasy sy manohana an’i Madagasikara izay mitazona « stand » samihafa hamatsiana ireo tetik’asa tohanany. Misy antokom-pihira hanafana ny fotoana [20:00] amin’ny fampisehoana hira sy dihy vako-drazana izay arahin’ny rindra-kiran’i Eric Manana [21:00]. Ny « Afindrafindrao » izay anokafana ny alim-pandihizana dia atomboka amin’ny 22:30 ora alina ary hofaranana amin’ny 02:00 ora maraina kosa ny alim-pandihizana.

Tsy misy vidim-pidirana [filankevitra sy toro-lalàna +41 79 769 33 61]

[fandaharam-potoana - madonline.com >>]

2 Responses to “07|06|23 - Fetiben’i Madagasikara [Genève, CH]”

  1. le site de Madonline est excellent, c’est le blog gasy que je visite le plus souvent en ce moment.
    Raikitra izany ;)

  2. Salut Tattum, je me réjouis de vous revoir sur les bords du Léman puisse la météo être clémente durant votre séjour :)

Leave a Reply