
Felana | Ho an’ny Raiko
Par : tomavana
Tags:felana, madagascar, madagasikara, malagasy, malgache, rasolondraibe
Dimy volana monja taorian’ny nivoahan’ny « Deraiko, hiraiko ilay Mpanjakako » dia hamidy amin’ny herin’ androany ny raki-kira CD vaovaon’i Felana amin’ny teny frantsay mitondra ny lohateny hoe « A mon Père » na « Ho an’ny Raiko ». Izay ahitana ilay hira isan’ny ankafiziko hoe « Amazing grace » nohavaozin’i Felana, miampy ireo hira izay miloko « pop-r&b » izay diam-penin’i Felana avokoa.
Raha amin’ny Alakamisy 14 Jona 2007 vao varotana izany kapila CD izany, dieny izao dia efa azo atao ny mividy 1.- € isany ireo hira tsirairay amin’ny endriny MP3 ao amin’ny sephoramusic.com.
Hira midera an’Andriamanitra no raiketin’ity CD ity, ny lohateny anefa dia mampatsiahy antsika fa i Felana sy i Rija Rasolondraibe dia zanak’ ingahy Rolland-Seth Rasolondraibe izay isan’ireo ngezalahy mpamoron-kira hoan’ny antokom- pihira Malagasy [chorale] sady mitolona ho amin’ny fahasalamana ankehitriny.
[« Deraiko, hiraiko ilay Mpanjakako » - Felana >> |
azo afarana amin'ny email contact(amin'ny)felana.ch]
[hividy MP3-n'i Felana - sephoramusic.com >>]

Salama.
Misaotra nitsidika. Ho hitanao miandalana ny fizotrany.. ;(
Veloma.
Izaho no misaotra anao nanohina ny antso dia manantena ny tohiny tsy ho ela.
[...] anao hiara-mankalaza an’Andriamanitra i Felana, amin’ny fanatanterahana rindra-kira ny Asabotsy 13 Septambra 2008 manomboka amin’ny [...]
Bonjour,
j’ai vu le village de vacances AGAPE, je ne comprend lea langue de votre pays mais j’aimerai offrir à votre pays mes solutions pour l’eau.
Merci de me répondre.
Jean François RAY
Merci pour votre intérêt cher Ray
La bataille de l’accès à eau potable est une vaste entreprise à Madagascar et votre solution répondra surement à certaines de ces attentes.