
Thomas Hervé | Blaogin-tsary avy any Madagasikara
Sahambavy © Thomas Hervé
Toa ny Malagasy rehetra dia mba manana izay toerana mampihetsi-po ahy aho. Ireo izay mahalala ahy manokana dia mahafantatra fa mientana hatrany ny foko isaky ny mahatazana ireo vohitra ravahin’ireo voly dite izay sady maitso mavana no tsara randrana ary manome endrika manokana an’i Sahambavy any amin’ny faritr’i Fianarantsoa [lalam-by mitondra mankany Manakara]
Amin’ity andro anio ity ary dia mamelà ahy hianareo hampahafantatra anareo ny blaogin’i Thomas Hervé izay vao avy nanampy sary « panorama » maro momba an’i Madagasikara no sady nandikakò ireo sary nandravahako ity lahantsoratra ity.
[Thomas Hervé - thomasherve.com>>]


Merci pour ce lien, trop beau son blog!
et belles photos.
De rien, tout le plaisir est pour moi
Je me suis dit que t’allais sûrement tilter sur ses aventures de photos sous-marines.