07|05|13 – Fiangonana Loterana Malagasy | Jobily faha-140 taona [Ivory-Avaratra, Fianarantsoa]


Notanterahina androany tany Ivory-Avaratra, Fianarantsoa ny fotoam-pivavahana fanokafana ny fankalazana ny jobily faha-140 taona niorenan’ny Fiangonana Loterana Malagasy [FLM].

« Fijoroana vavolombelona » no loha-hevitr’ity fankalazana ity ary fikasana ny hilahatra hamakivaky ny tanàn’ny Fianarantsoa am-pilaminana saingy nafohezina izany filaharana izany mba tsy afahana manome endrika politika izany fivoriana izany, ny daty rahateo mifanojo amin’ny fahatsiarovana ny faha-35 taonan’ny 13 Mey 1972 ka mety misy ireo manararaotra izay olona vory maro.

Tena maro tokoa ireo mpiangona, ary na dia malalaka aza ny trano fiangonana vaovaon’Ivory-Avaratra dia tsy omby nampidirana ireo vahoaka sesehena izay nirohotra hanatrika izany fotoana izany fa voatery nijanona teny ivelany ny ankamaroany. Nikatona avokoa mantsy ireo fiangonana Loterana tamin’ny faritry Fianarantsoa noho ity fotoan- dehibe ity.

Naharitra ora maro ny fotoana nohon’ny hamaroan’ireo solontena iraisam-pirenena izay nandray anjara fitenenana. Marihina fa nandefa solontena ihany, fa tsy nanatrika ity fotoana ity ny filoham-pirenena izay nitodi-doha ho any Shangaï omaly.

Tantara fohy: ny taona 1867 no nanomboka niasa tany amin’ny faritry Betafo, Antsirabe ny Misiona Loterana Norveziana [Det Norske Misjonsselskaps, NMS]. Ny taona 1888, tao ambany fiadidian’ny NMS no nanombohan’ny misiona Loterana Amerikana [Evangelical Lutheran Church of America, ELCA] ny asany tany Taolagnaro kosa. Tao Fianarantsoa no natambatra ho iray ho Fiangonana Loterana Malagasy [FLM] ireo fiangonana vokatry ireo misiona roa ireo.
Mihoatra ny 3 tapitrisa [millions] ankehitriny ireo mpikambana ao amin’ny FLM, ary mandratsana hatrany Frantsa sy La Réunion amin’ny alalan’ny FLMF [FLM aty Frantsa] izy ankehitriny. Nanomboka tamin’ny taona 1950, ny FLM dia isan’ny mambran’ny Fiangonana Loterana Eran-Tany [Lutheran World Federation, LWF | Fiangonana 140 | Firenena 78 | Kristiana mahatratra 66.7 tapitrisa (millions)].
Ny FLM dia miara-miasa akaiky amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara [FJKM] ao anivon’ny Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta Malagasy [FFPM]. Ary isan’ireo fiangonana efatra nanorina ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana Malagasy [FFKM] izay iarahany amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara [FJKM], sy ny Eglizy Katolika Romana [EKAR] ary ny Eklesia Episkopaly Malagasy [EEM].

21 réflexions sur “07|05|13 – Fiangonana Loterana Malagasy | Jobily faha-140 taona [Ivory-Avaratra, Fianarantsoa]

  1. « …ary ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin’ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy. » MATIO 16

    Io teny io no ho entiko miarahaba ny FLM nahatratra io taon-jaobily io, ary mirary soa mba ho tratry ny zato taona manaraka indray raha mbola tsy tonga eny rahon’ny lanitra Jesosy.Ho amin-tsika rehetra anie ny fiadanan’ny Tompo, Amen

  2. >mirary soa mba ho tratry ny zato taona manaraka indray
    Tena fotoan’ny fandinihan-tena tokoa ny fotoana toy itony raha mbola tiana haharitra ny asa natomboka.
    Misaotra amin’ny fandalovana sy ny hafatra feno firariantsoa ry Bien Aimé 🙂

  3. Misy tokoa ireo fitahiana azon’ity firenena ity, ka tsy ireo vaovao politika sy korontana hatrany no tokony ampitaina fa ireo fahasoavana koa. Ohatra ny gazety dia tsy manambara ity jobily lehibe ity fa mitantara kosa ireo mpianatra « nandositra » an’i Fianarantsoa, izay vitsy an’isa lavitra noho ireo mpiangona tonga nankalaza ity fotoana ity.
    Tsy misy fisaorana ra-Jentilisa, ianao no arahabaina amin’ny maha-Loterana anao 😉

  4. Akory aby, raha mba samy mikatsaka ny fanjakan’Andriamanitra dieny ety antany tokoa mantsy ny tsirairay, mahavariana fa misy dia tena matahotra mafy mihitsy ny ho faty, satria tsy mahalala hoe inona no hanjò aorian’ny fahafatesana, entanina hivavaka kanefa dia tena vy be mihitsy ny fony. Soa fa efa miha vitsy ihany izy ireo satria efa mihabe koa ny miova fo, fa raha tsy izany angamba dia tsy mahatratra ny 140 taona ny fiangonana. Afaka manantena 100/100 isika fa ho mandrakizay toy ny Teniny koa ny Fiangonany e. ciao.

  5. Misy fotoa-pifohazana koa ao amin’ilay Toby lehibe soatanana amin’17 septembre ho avy io, izy io dia tanterahina isan-taona ary tsy hadinon’ny zanaka am-pielezana rehetra , koa manentana izay afaka fa hahazo hery ampanahy isika rehetra, amin’io fotoana io koa no fanokanana ireo izay niomana ho Mpiandry.

  6. Faly mandray anao ry Sedera 🙂
    Marina tokoa fa ny fankalazana ny 17 Septambra dia fotoan-dehibe hoan’ireo mponina amin’ny faritra manodidina an’i Soatanana … dia samy hotafian’ny Tompo « hery ampanahy » daholo isika rehetra.

  7. miarahaba e,mahafinaritra rehefa misy ny tranokala ifaneraserana eli,sendra
    mijery net ah no mahita anio,isaorana manokana ianao ry tomavana
    mapiely ny hafatra,zaho izay manoratra dia zanaky ny fifohazana
    loterana,sederan toby ankerana,sady mpamojy ny 17 septemr any soatanana

    manatena fa ho tafita @tanora rehetra ny hafatra

  8. Faly mamaky anao eto indray ry Lucia Misa 😀

    Enga anie ka hitondra fampaherezana ho an’ireo rehetra mpamonjy isan-taona ity fankalazana ny 17 septambra 2008 ity.

  9. Miarahaba anareo rehetra @anarany jesosy tompoko,hitako daholo ny tatarany

    fifohazana nalefanareo misaotra mahatsiaro fa miasa ny tompo @
    alalanizany ho anay,zay tsy afaka,manatrika ny fotoana any mcar.

    De raha azonao atao de mba andefaso santionany @ isantaonany
    fivorian_pifohazana any soatanana.

    de mahereza tompoko @fanaparitahana ny asa.
    homba anao sy ny ankohonanao jesosy.

    Mampamangy ny havana kristiana rehetra any suisse

  10. Mampamangy koa ny valihany jehovah rehetra any suisse ny tompo hampahery anareo isanadro.
    de de mamapamangy any vololontsoa koa raha efa ahy suisse izy

  11. Tsy misy fisaorana Lucia Misa fa mason-tsokina ihany ny antsika e … izay kely ananana no ahiratriratra. Dia misaotra amin’ny teny firariantsoa sy fampaherezana fa samy hotahiana avy isika tsirairay avy … hampitaiko ireo hafatrao.

  12. Dia mbola miarahaba anareo,namana mahafatrapo aty suisse de mba aparitaho ze anananareo @ sary fifohazana, tanora, ra mba manana sariny fanokanana mpiandry tany Soatanana de asehouy

    De isaorana ianao manana fandavantena manaparitaka ny filazantsara @ alalany internet Jesosy hitahy anareo namana mpiaramiasa reetra anye

    Mahereza daholo tompoko Jesosy hitahy ny fianakavianao

  13. Miarahaba anareo, manana rehetra, raha mba misy mahay ange ilay hira hoe:
    Ity misy lakile, mahatoky eto raha mandeha
    izay mihira azy tsy dia fantatro loatra, fa efa ela no naheno io hira io dia mba tiako ho hain’ny zanako aty aoriana. Dia misaotra mialoha.

  14. Miarahaba ny FLM nahazo ny taon-jobily ary mirary ny soa hatrany ka hiroborobo,fa nahoana kay no maro ny kristiana ao aminareo no mihemotra sao dia misy zavatra tsy milamina a aminareo ka mila mandini-tena hianareo.

Répondre à Bien Aimé Annuler la réponse.