
Leszek Andzel | Fampiratiana sary [Genève, CH]
Par : tomavana
Tags:leszek andzel, madagascar, madagasikara, malagasy, malgache, photo, photography, sary
© Leszek Andzel
21 andro no faharetan’ny dia | 1’000 km mahery no halavan’ny làlana | bisikleta hatrany Antananarivo ka hatrany Toliary.
I Leszek Andzel dia manao fampiratiana ireo sary vokatry ny fihaonany tamin’ny Malagasy nandritra ny diany tamin’ny taona 2005 tany Madagasikara ao amin’ny « Fnac Forum Rive-Genève » [rue de Rive 16, 1204 Genève | rihana voalohany ao amin'ny cafétariat] hatramin’ny faran’ny volana Aprily 2007.
Bio fohy: Polonais mipetraka aty Soisa. Bisikleta, fakan-tsary, mizaha tany ary indrindra ny mitafa sy miresaka amin’ny mponina no tena ankafizin’i Leszek Andzel. Bisikleta no ampiasainy mba hahamora ny fifandraisana amin’ireo mponina amin’ny tany vangiany. Ankoatr’ireo dia maro ataony eto Soisa, taona 1999 tany Norvège, taona 2000 tany Slovakia sy Grèce, taona 2004 tany Thaïlande, Laos sy Cambodge, ary tany Maroc kosa ny diany farany tamin’ny taona 2006.

© Leszek Andzel
[sary hafa - madagascar.andzel.net >>]

[...] fa azo atao ny mividy ireo sary asehony ary ity no fampiratiana manaraka ilay nataon’i Leszek Andzel >> izay nampiraty ireo sarin’ny diany tany [...]