
06|12|24 – Antsam-panahy Krismasy ‘Iray isika’ [Ville-la-Grand, FR]
Par : tomavana
Tags:antokom-pihira, antsam-panahy, christmas, fiangonana, fivavahana, fpma-annemasse, hira, madagascar, madagasikara, malagasy, malgache, noel, noely, vavaka
Catégorie: ala-voly, fampisehoana, fivavahana
Misy antsam-panahy Krismasy Malagasy ‘Iray isika’ izay atao ao amin’ny fiangonana katolika Cornière [chapelle catholique Cornière, rue de l'Avenir, Ville-la-Grand, FR] ny Alahady 24 Desambra 2006, manomboka amin’ny 5 ora hariva [filankevitra +33 450 74 48 19 | +33 450 84 12 59].
Ireo antokom-pihira mandray anjara dia ny Antendrom-piderana, ny FPMA Annemasse, ny chorale du Léman ary ny tarika ‘groupe Sunrise’.
Izany dia ambany fikarakarana iombonan’ireo Fiangonana Malagasy any Frantsa manodidina an’i Genève, dia ny fiaraha-mivavaka FPMA Annemasse, sy ny Communauté Catholique Malgache du Genevois [C.C.M.G], ary ny fiangonana Adventista ao Collonges [Collonges-sous-Salève, FR].
Tsy misy vidim-pidirana.
