Mbola Malagasy ihany ve ?
By: tomavana
tags: drapeau, drapeaux, foto, identite, identites, madagascar, madagasikara, malagasy, malgache, malgachoscopie, photo, photographie, photographies, photography, photos
Category: sary, tsetsatsetsa
Nolazaina fa tsy te-hiafy teo anilanao aho.
Nolazaina fa tsy handrato no aton-diako.
Nolazaina fa mitombo an-dalana izay karohiko.
Nolazaina fa efa ela loatra hono izay.
Nolazaina fa na ny anaranao aza tsy tononiko intsony.
Nolazaina fa hadinoko hatramin’izay fisianao aza.
Nolazaina fa nandositra anao aho.
Nolazaina fa ireo adidy miandry no tsy zakako.
Nolazaina fa lasan’ny hafa ny foko.
Nolazaina fa tsy mitepo fitiavana ho anao intsony aho.
Satria tsy mbola nody ihany aho hatramin’izao.
Tsaroako fa izaho tsy ampy toky,
Andramo ihany aloha hoy ianao.
Impiry aho no saika handao,
Milofosa hatrany hoy ianao.
Lavitra loatra hoy aho,
Akaiky hatrany ny fo hoy ianao.
Ela loatra hoy aho,
Hoy ianao, hiandry anao ny toeranao aty, fa mandehana
Ankehitriny, tsy ahoako izay ambara momba ahy,
Na dia tsy mbola fantatro aza izay fotoana hodiako,
Fantarò fa tsy misy mahasolo anao aty anatiko,
Ry Madagasikara
Vetsovetso nateraky ny lahantsoratr’i VANF “Ho an’ny Gasy andafy“
Isaorana i Tattum nampahanfantatra azy [VANF lahantsoratra hafa]
[Takelak'Ikaloy - ikaloy.blogspot.com >>]

Tsara loatra
faly aho mamaky ity tononkalo ity eto amin’ny pejinao
Mahafinaritra sady mampiheritreritra.
Misaotra !
@ Harinjaka Aleo angaha ny anarana hoe tononkalo atokantsika hoan’ny mpanao haisoratra manan-talenta … tora-po ihany ny ahy. Misaotra betsaka tamin’ny ako.
@ Lilia Faly aho
fananohina anao. Vetson-takarivan-dririnina [blues ?] fotsiny re, ka aza dia hadiana lalina loatra.Tsara ka! Malagasy mandrakizay, na ho aiza na avy aiza, fa ny tanindrazana tsy atakolo.
Tsy azo lavina fa manan-talenta i VANF, nitroatra aho teo am-pamakiana azy. Namoha fota-mandry tato anatiko izany. Mamerina etoana ny fisaorana tamin’ny fampahafantarana azy.
Sarotra be izany ny namaky ny post-nao. Fa dia niezaka mafy aho (it took me about 10 minutes to understand everything- which is great, right?). Dia mbola mahatsiaro fa tena Malagasy aho. Thank God!
Don’t worry, it seems that poetic Malagasy is a bit obsolete, thanks God no one speaks as the poetic books
Really honored by your visit and happy to hear that you too are still working to keep your Malagasy part alive.
[...] [lohahevitra sahala >>] Posté par tomavana rempli dans tsetsatsetsa [...]
[...] An’i Madagasikara ny foko, na dia atao hoe monina aty Genève aza aho … izany no tsy mampangina ahy fa miblaogy | [...]